Zoma 16 Septambra 2022
Ny mpanjakavavin’i Sheba… nahare ny lazan’i Solomona ny amin’ny anaran’i Jehovah… Ary rehefa tonga tany amin’i Solomona izy, dia nilaza taminy izay rehetra tao am-pony. Ary voavalin’i Solomona izy, tamin’izay rehetra nanontaniany azy. 1 Mpanjaka 10:1-3
(Hoy Jesosy momba ny tenany :) Misy lehibe noho Solomona eto. Matio 12:42
Na dia niaina tany amin’ny 3000 taona taloha tany aza ny mpanjaka Solomona, dia tonga hatratỳ amintsika ny lazany. Ny fanjakany dia fanehoana harena sy fahombiazana.
Nandritra ny nanjakany izy dia notsidihin’ny mpanjakavavin’i Sheba (na Saba). Tsy dia ny harenan’i Solomona loatra no nahasarika io mpanjakavavy io, fa ny lazany nifamatotra tamin’ny anaran’i Jehovah, Ilay Andriamanitry ny Israely. Nandeha roa arivo kilometatra mahery izy, mba hanontany an’i Solomona mpanjaka izay rehetra tsy takany ; dia namaly ny fanontaniany rehetra i Solomona.
Ndao io tantara io hafindra ho amin’izao fotoana iainantsika izao. Raha tsy misy an’Andriamanitra, dia tsy hay takarina ny momba izao tontolo itoerantsika izao. Nahoana no misy ny fiainana ? Nahoana no misy ny fahafatesana ? Nahoana no misy ny tsy fahamarinana sy ny fijaliana ? Mikiky anao angamba ireo fanontaniana ireo ; ary tsy ahitanao valiny. Raha araka ny saintsika fotsiny ihany no itadiavantsika vahaolana amin’ireo olana fototra mampikorontana izao tontolo izao, dia tsy ho voavaha ny ankamaroan’izy ireo. Tena ao amin’ny fahazavan’ny Baiboly, ilay Tenin’Andriamanitra, no ahitana fanazavana ireo fanontaniana lehibe eo amin’ny fiarahamonina misy antsika ireo.
Raha toerana tsy fantatra, ao anaty haizina, dia mety ho toa feno zava-miafina na mampatahotra mihitsy aza ; misinda anefa ny zava-miafina, rehefa ampidirana hazavana ao.
Hoy Jesosy momba ny tenany : „Izaho no fahazavan’izao tontolo izao ; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina” (Jaona 8:12).
Ny hoe mihaona amin’i Jesosy dia manisy fahazavana aloha, ao amin’ny toetrantsika anaty, ary koa eo amin’ny tontolo manodidina antsika.