Alakamisy 15 Septambra 2022
Tsy misy marina, na dia iray akory aza. Romana 3:10
Marina Izy (Andriamanitra) sady hanamarina izay manana finoana an’i Jesosy. Romana 3:26
„Marina Andriamanitra”. Vaovao tsara izany, hoy angamba ianao, tsy hila Andriamanitra tsy marina, Izay hanafaka ny meloka sy hanameloka ny tsy manan-tsiny ! Saingy misy olana, satria na izaho na ianao dia tsy marina. Afaka miseho ho tsara isika, nefa fantatsika tsara ao anatintsika lalina ao fa tsy izany. Ary raha angonina ao anaty kapila mangirana iray ny zavatra ataontsika sy fihetsitsika ao anatin’ny andro iray, mbamin’ireo eritreritsika miafina rehetra, ka aseho ampahibemaso, ny hany ho tiantsika hatao dia ny mandositra malaky ! Koa satria marina Andriamanitra, dia tsy maintsy hanameloka mpanota toa antsika izao.
Ny maha marina Azy izany dia ho vaovao mampangorohoro, raha tsy misy ilay vaovao iray hafa : tia ny mpanota Izy, ka manolotra azy ny fomba hahatongavany ho marina, hanamarina azy.
„Andriamanitra dia fitiavana” (1 Jaona 4:8), toetra maha Izy Azy mihitsy izany. Ary nahita ny fomba Izy handrindrana io fitiavana lavorary io amin’ny fahamarinany tanteraka. Nalatsany tamin’Ilay Zanany Lahitokana ny fitsarana sahaza antsika noho ny fahotantsika, hany ka azony atao ny manafaka ireo rehetra mandray ny fahasoavany. Feno ny fepetra takin’ny fahamarinana, satria Jesosy no nanefa, nisolo toerana ireo meloka ; ary nandresy ny fitiavany, „ny famindrampo… tsy mba matahotra ny fitsarana” (Jakoba 2:13).
Aza hadinontsika àry fa raha mandà tsy hiaiky ireo fahadisoantsika isika, ary tsy mametraka izany eo amin’i Jesosy, dia tsy maintsy hanameloka antsika ny fitsarany. Eny tokoa, vaovao tsara ny maha marina an’Andriamantra, satria Izy dia fitiavana ihany koa.