Alarobia 14 Septambra 2022

Efa naseho anao izay tsara sy izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany : Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena. Mika 6:8

 

Fandinihan-tena momba ny fahitsiana

Nifetsifetsy be ny tao amin’ny kilasy nisy ahy, tany amin’ny kolejy. Ary tsy hadinoko mihitsy ny lahateny kely nataon’ny mpampianatra kajy anay, indray andro, talohan’ny nizarany ny laza adina fitsapana : „Androany, ry namako, dia fanadinana roa no ampanaoviko anareo : ny voalohany dia momba ny jeometria, ny faharoa momba ny fahitsiana. Antenaiko fa hahomby amin’izy roa ireo ianareo. Raha toa ianareo tsy mahomby amin’ny iray, dia aleo amin’ny jeometria. Rehefa hiasa mantsy ianareo, dia ho betsaka kokoa ny fotoana hampiharanareo ny foto-kevitry ny fahitsiana noho ny fitsipiky ny jeometria.”

Amina fomba samihafa dia tsy maintsy misy fotoana andalovantsika rehetra io fandinihan-tena momba ny fahitsiana io. Ohatra, inona no hataontsika raha mihoatra ny famerim-bola omen’ny mpivarotra antsika ? „Atao ahoana moa, izy no diso, fa tsy izaho…” Ary rehefa manao filazana momba ny fidiram-bolantsika isika, manao fanahy iniana ve tsy hilaza zavatra sasany eo amin’ilay takelaka fanadihadiana ? „Na izany na tsy izany, tsy hisy olona hanamarina io e…”

Marina ny tenin’ilay mpampianatra. Ny fitondrantenan’olona iray dia zava-dehibe lavitra noho ny fari-pahalalany na ny vola miditra aminy. Nefa io fitondrantena io dia mitaky antsika hahitsy aloha, eo anatrehan’Andriamanitra, Izay tsy haintsika fetsifetsena, ary mitaky koa hiaiky ny fahadisoantsika eo anatrehany. Noho ny asa nataon’i Jesosy Kristy no ahafahan’Andriamanitra mandray an-tanana ny trosantsika aminy.