Talata 13 Septambra 2022
(Hoy Jesosy :) Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy. Jaona 5:39
Olona maro no miombon-kevitra manambara fa ny hafatra nentin’i Jesosy dia ho an’ny olona maneran-tany. Namakivaky ny taonjato rehetra io hafatra io, mbola vakina any amin’ny kontinanta rehetra ankehitriny, ary mbola ara-toetrandro hatrany. „Tiava ny fahavalonareo… Ary araka izay tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa… ary manaova soa” (Lioka 6:27-35). Ny olona tsirairay dia manaiky fa mitombina izay nolazain’i Jesosy sy izay nataony. Raha miaina izany avokoa ny tsirairay, dia ekena fa hizotra tsara kokoa ny fiarahamonina.
Tsy izany teny fantatra eran-tany izany fotsiny anefa ny hafatra nentin’i Jesosy. Hoy koa Izy : „Raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’olona sy misotro ny rany ianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo” (Jaona 6:53). Rehefa nandre izany ny mpianany, dia nanao hoe : „Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany ?” (Jaona 6:60). Tsy takatry ny saina maha olona tokoa mantsy io teny io.
Inona no tian’i Jesosy nolazaina ? Tonga Izy hitady sy hamonjy ireo izay very. Izany dia nila ny fanolorany ny ainy, nila ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona indray. Ny hoe „mihinana ny nofony sy misotro ny rany” dia ny „mandray” ho an’ny tena izany fahamarinana izany, mandray azy io am-pinoana ary manaiky azy, mba ho afaka amin’ny fahamelohana eo anatrehan’Andriamanitra.
Maro ny tsy nanaiky izany. Tsy toy izany koa ve amin’izao fotoana izao ? Tiantsika tokoa ny handray ampahany amin’ny fampianaran’i Jesosy, nefa kosa misy lafiny iray manontolo atao tsirambina na lavina, dia ny tsy maintsy anekena fa mpanota isika ary mila Mpamonjy. Aoka isika tsy hanasaratsaraka ny hafatra nentiny, fa handray izany manontolo. Ny Teniny dia fanahy sy fiainana !