Alatsinainy 12 Septambra 2022
Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra ; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety handevozin-javatra, na inona na inona. 1 Korintiana 6:12
Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo. Galatiana 5:16
„Ny fiankinan-doha dia fitondrantena mifototra amina faniriana miverimberina sy tsy hay tohaina, hanao na hihinana zavatra, na eo aza ny finiavana sy ireo ezaka tsy hanatanteraka izany” (Wikipedia). Misy fiankinan-doha tena mampidi-doza : zava-mahadomelina, fisotro mahamamo, sary na horonantsary vetaveta, lalao vidéo, filokana… Indraindray dia hamaivanina ny fiteny ka atao hoe „miraiki-po” (accro) amina fandaharana sasantsasany, amin’ny internet, ary tsy tsapa fa iray ihany ny loharanon’ireo rehetra ireo, na ho an’ny mpino na ho an’ny tsy mino.
Rehefa nanoratra ny apostoly Paoly hoe : „Fa izay ataoko dia tsy fantatro ; fa tsy izay sitrako no ataoko ; fa izay halako no nataoko” (Romana 7:15), ny noresahiny dia mpino iray miaina ny fisian’ny ota ao anatiny manolotra filana hotanterahiny, ary miezaka amin’ny heriny samirery hiala tamin’izany toejavatra izany.
Koa inona àry ny hery hahafahana manatanteraka ny fanambaran’ny andinin-tSoratra Masina nomena androany hoe : „Izaho tsy mety handevozin-javatra, na inona na inona” ? Izany hery izany dia ny herin’ny Fanahin’Andriamanitra, Izay mitoetra ao anatin’ny mpino (Galatiana 4:6).
Ary ahoana no hahafahako „mandeha araka ny Fanahy”, mamela Azy hitantana ny fiainako ? Tsy manana ny hery aho ato anatiko, hanaovana izany. Tsy maintsy tsarovako fa „voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazofijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko” (Galatiana 2:20). Raha mivavaka sy mamaky ny Baiboly aho, na izaho irery na miaraka amina kristiana hafa, dia ho velona ato anatiko Kristy ary hanafaka ahy, noho ny hery omen’Andriamanitra isanandro isanandro.