Alahady 29 Marsa 2020

Fa isika rehetra kosa amin’ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin’ny voninahitra ka ho amin’ny voninahitra, toy ny avy amin’ny Tompo, dia ny Fanahy. 2 Korintiana 3:18

(Hoy Jesosy :) Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra... Ny sampany rehetra izay mamoa ... dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa. Jaona 15:1, 2

 

Esory izay tsy manahaka azy

Rehefa nanontaniana i Michel-Ange (1475-1564) hoe ahoana no nanaovany sokitra ny sarivongan’i Mosesy, dia hoy izy namaly : “Maka bolongana vato marbra ianao, dia esorinao izay rehetra tsy manahaka an’i Mosesy”.

Raha vao nanomboka nino isika, dia toy ny bolongam-batovandana tsy misy endrika, amin’ny voalohany ; toy ny vato tsy voavoatra vao nalaina tao amina fihadiam-bato. Nefa tsy tian’Andriamanitra hianina amin’izany toetra izany isika. Iriny isika hitovy kokoa hatrany amin’ny Tompo Jesosy. Koa esoriny tao amintsika izay rehetra tsy mitovy amin’i Kristy, mba handroso ara-toe-panahy isika ka hanahaka an’i Kristy kokoa hatrany, Izy Ilay môdely ho antsika mandrakariva.

Ny hoe manahaka an’i Kristy, dia tsy hoe miezaka haka tahaka Azy, fa mivelona aminy amin’ny alalan’ny Fanahiny, toy ny sampam-boaloboka izay velona noho ny tsiro mikoriana ao anatiny. Satria ny kristiana tsirairay dia manana aina vaovao, avy amin’ny ain’i Kristy.

Ny hoe mianatra ny hitovy aminy, dia miroso ho amina dia maharitra mandritra ny androm-piainana manontolo. Tsy mba toa antsika Andriamanitra, fa mahari-po. Miandalana ny fitomboana : dingana iray isanandro. Tokony hanaiky hovolavolain’Andriamanitra sy hotefeny araka izay tiany isika, na dia mila fotoana lava aza izany.

 

Ny hanahaka Anao, ry Jesosy, no fanantenako faratampony.

Ny hihevitra, hiasa, hitia bebe kokoa hatrany, tahaka Anao !

Ny hanahaka Anao, ry Jesosy, no fanantenako faratampony.

Amboary hitovy aminao aho, amin’ny alalan’ny Fanahinao !