Asabotsy 28 Marsa 2020
Fa izao no lazain’i Jehovah, Izay nahary ny lanitra (Izy no Andriamanitra) sady namorona ny tany sy nahavita azy (Izy no nandamina azy ; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana) : Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa. Isaia 45:18
Mpino aho, amin’ny maha resy lahatra ahy hoe misy antony faratampony ny zavatra rehetra. Koa dia nino ny fisian’ny Mpahary aho. Kanefa, angamba aho voatariky ny fisainana voizina ankehitriny, ka nirona nihevitra an’Andriamanitra ho toy ny hery fototra nanomboka fotsiny ihany ny zava-drehetra.
Indray andro anefa dia lasa eritreritra aho, hoe rehefa manamboatra zavatra iray dia manana tanjona mandrakariva, ary misy antony ao an-tsaiko, mialoha ny hamboarako io zavatra io. Ka tsy ho toy izany koa ve Ilay Mpahary ? Koa dieny tany am-boalohany, izany, dia efa nanana tetik’asa midadasika Izy. Ary ambonin’izany, nipaka tamin’ny olombelona io tetik’asa io ! Efa nihevitra ny olombelona Andriamanitra, talohan’ny hanombohany ny asa fahariana manontolo.
Koa dia tonga saina aho fa izany tokoa no fampianaran’ny Baiboly. Noho ny fahasoavan’Andriamanitra, dia mba nataony mino izany aho. Izy no Ilay Mpahary, nefa Izy koa no Ilay nanao ny zava-drehetra ho amina tanjona iray, araka ny drafitra efa nofaritany. Tena tsy takatry ny saiko izany, nefa rehefa manaiky ny fahamarinan’izany aho, dia voataona hidera sy hitsaoka ary hiteny hoe : “Tompo ô, lehibe tokoa Ianao ! Ampanaraho ny zotran’ny drafitrao ny fiainako !” Nampianarin’i Jesosy ny mpianany hivavaka hoe : “Hatao anie ny sitraponao, etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra”. Dia tsapako fa afaka manampy sy tokony hanampy aho hoe : “... ary eo amin’ny fiainako manokana koa” !
Misy tranga iray tsy manam-paharoa teo amin’ny tantara io drafitr’Andriamanitra io, dia ny nahatonga an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjy antsika, araka ny voasoratra hoe : “... nanavotana anareo … ny ra soan’i Kristy, toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina ; Izay fantatra rahateo fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao” (1 Petera 1:18-20).
Henri