Zoma 27 Marsa 2020

Mahasitrana ny torotoro fo Izy sy mamehy ny feriny. Milaza ny isan’ny kintana Izy ; samy tononiny amin’ny anarany avy ireny rehetra ireny. Lehibe ny Tompontsika sady be hery ; tsy hita lany ny fahalalany. Salamo 147:3-5

 

Ny fo torotoro sy ireo kintana

Mahafinaritra erỳ ny mitazana ny lanitra miravaka kintana amina alin’ny lohataona ! Mahatsapa ny tenantsika ho bitika sy tsy misy dikany isika, manoloana ny habakabaka midadasika mamirapiratra. Ary mbola zavatra kely ihany aza no mba tazan’ny masontsika. Ny fitaovam-pitiliana goavana mantsy dia manasongadina tangoron-javatra manjavozavo, izay noheverina hatrizay ho rahona mifono etona fotsiny, hay indraindray misy kintana tsy hita isa izy ireny. Kintana tsy hita isa toy ny vovoka, masoandro tsy hay isaina no manazava ny vondron-kintana misy antsika, toy ireo vondron-kintana maro hafa ihany koa… Raha ampitahaina amin’izao tontolo rehetra izao ny tany, dia toy ny singam-bovoka mitsingevana eny amin’ny habakabaka midadasika tsy hita fetra eo amin’ny lanitra.

Efa nandinika ny lanitra feno kintana aho, tamin’ny alina tsy nahitako tory, noho ny fahoriana be naha torotoro ny foko. Nitraka aho, nijery io habakabaka mamirapiratra io ny masoko feno ranomaso. Ilay Andriamanitra lehibe aoka izany ve, Ilay Mpahary izao tontolo rehetra izao, dia mba mikarakara fo torotoro noho ny fijaliana ?

Tamin’izay no nitamberina tato an-tsaiko ireo teny mahatretrika ao amin’io salamo voatanisa etsy ambony io. Dia nitony ny foko. Eny, misy dikany aho, eo imason’Andriamanitra. Ny fahalehibeazany dia tsy manakana Azy tsy hihevitra ahy, izay zavaboary tena bitika. Resy lahatra aho ankehitriny fa io Andriamanitra nahary izao tontolo rehetra izao io dia te hikarakara ihany koa ny fo mijaly. Azoko averimberina mangina ny teny hoe : “Mahasitrana ny torotoro fo Izy sy mamehy ny feriny”. Fantatro fa hataony izany. Tsy niova ny toejavatra niainako, saingy tony aho lasa niverina natory. Nanatona ahy Andriamanitra. Eo mandrakariva Izy, Andriamanitra mahery sy manam-pitiavana tsy misy fetra.