Alakamisy 26 Marsa 2020
Fa izahay kosa mitory an’i Kristy voahombo tamin’ny hazofijaliana, dia fahatafintohinana amin’ny Jiosy ary fahadalana amin’ny jentilisa, fa amin’izay voantso kosa, na Jiosy na jentilisa, dia Kristy, Izay herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra. 1 Korintiana 1:23-24
Tany Angletera dia nisy fiangonana iray nahitana soratra voasokitra eo amin’ny haingon-tatao eo amin’ny fidirana, hoe : “Izahay mitory an’i Kristy voahombo teo amin’ny hazofijaliana”. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanomboka nisy zavamaniry nandady teny amin’ny rindrina. Ny tapany farany amin’ilay fehezanteny aloha no takona voalohany, ka nanjary hoe : “Izahay mitory an’i Kristy”. Avy eo dia lasa hoe : “Izahay mitory”, ary farany dia rakotra tanteraka ilay soratra. Ankehitriny dia rindrina rava rakotra zavamaniry sisa no niafaran’ilay trano.
Izany toejavatra izany dia maneho an-tsary ny maha zava-dehibe, ho an’ny kristiana tsirairay, ny manambara Filazantsara feno sy mifanaraka amin’izay resahin’ny Baiboly. Raha foanana ny hazofijalian’i Kristy, na takonana ny fahotan’ny olona sy ny nilana ny sorona nataon’i Jesosy mba hampitony ny fahatezeran’Andriamanitra, dia “filazantsara hafa” izany, araka ny nambaran’ny apostoly Paoly indroa miantoana (2 Korintiana 11:4 sy Galatiana 1:6).
Mahafaly ny olona ny iresahana aminy an’i Jesosy hoe olona mpanao soa. Nisy maro hafa toy izany teo amin’ny tantara… Fa maro kosa no mandà tsy hihaino rehefa aharihary ny hoe tsy maintsy nahafaty an’i Kristy, mba hanesorany ny fahotan’izy ireo. Nefa anie raha tsy nisy izany, dia ho very mandrakizay isika rehetra e !
Ry mpamaky, aza omena tsiny izahay, manantitrantitra matetika ny momba ny hazofijalian’i Kristy. Io no ivon’ny Filazantsara, ary ho zava-doza loatra raha tsy atoro anao ny lalana marina sy tokana mitondra ho amin’ny famonjena.
“Fa ny teny ny amin’ny hazofijaliana dia fahadalana amin’izay ho very, fa herin’Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena” (1 Korintiana 1:18).