Alarobia 25 Marsa 2020
Tahaka ny vorondolo any an-tanàna aolo [aho]. Tsy mahita tory aho sady tahaka ny tsikirity irery eo an-tampon-trano... Ny androko dia tahaka ny aloka efa mandroso ; ary efa malazo tahaka ny ahitra aho. Salamo 102:6, 7, 11
Tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô. Salamo 9:10
Toerana sarotra koa, raha sarotra, ny misy io mpanao salamo io ! Manirery ao anatin’ny fahoriany izy, ka mieritreritra fa tsy ho velona intsony. Manohatra ny tenany amina biby any an-taniefitra izy, amina vorondolo, amina vorona mipetraka eny ambony tafon-trano… Ireo olona vitsy hany mba mifanerasera taminy dia manohitra sy miteny ratsy azy. Mampalahelo ! Irery izy, tena irery ka mamoy fo.
Ny tsirairay amintsika koa dia mety efa nandalo fotoana nahatsiarovan-tena ho irery, ho nilaozan’ny hafa. Nefa rehefa mitohy maharitra ny toejavatra toy izany, ka tsy ahitana hivoahana, dia manjary tena zava-doza no iainana.
Angamba ianao efa teo amina toerana maha manirery toy izany ? Na izany mihitsy aza angamba no toerana misy anao ankehitriny ? Efa naharitra ela angamba izany, ary tsy hitanao hoe rahoviana no mba hitsahatra ? Raha izany, dia taominay ianao hanohy ny famakiana ny Salamo 102 : tia antsika Andriamanitra, ary mihaino ny fivavaky ny mahantra (and 17). Jesosy Kristy Izay nirahiny, Ilay Andriamanitra sady olona, no mahita, mahatakatra, mahare, mahafantatra izay tsara indrindra ho antsika. Izy, Ilay hany tsy ho noheverina hoe hilaozan’olona indray andro any, dia niaina ny maha manirery lalina indrindra, rehefa nizaka teo amin’ny hazofijaliana ny fanilihan’ny olona tsy nila Azy. Nafoin’Andriamanitra Izy, satria nanaiky hisolo toerana ahy sy ianao, toeran’ny olona meloka eo anatrehan’Andriamanitra, ka mendrika ny ho faty mandrakizay. Ankehitriny dia Izy no mampanantena ny olona kivy, hoe : “Antsoy Aho amin’ny andro fahoriana ; dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy ianao” (Salamo 50:15).