Talata 24 Marsa 2020

Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazofijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko ; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. Galatiana 2:20

 

Nandray fanapahan-kevitra aho

Ny lahatsoratra etsy ambany dia avy amina kristiana tsy fantatra iray. Lahatsoratra maneho hafanam-pon’olona vao niova fo.

« Nandray fanapahan-kevitra aho, nisafidy ny antoko hiarahako. Miaiky aho : nanjary mpianatr’i Jesosy Kristy aho ! Voavotra ny lasako, azo antoka ny ankehitriniko, voaomana ny hoaviko. Tsy hihemotra intsony aho : nohomboana ny fiainako taloha, nohamasinina ny fiainako vaovao. Tsy mandeha amin’ny fahitana intsony aho, fa amin’ny finoana ; tsy anaty fanamelohana intsony, fa anaty fanafahana ; tsy ao amin’ny haizina intsony, fa ao amin’ny mazava. Tsy migadra intsony aho, fa nafahana, ka miroso hatrany !

Niara-niainga tamin’i Kristy aho teo amin’ny hazakazaka atao, feno hery satria Izy no manafaka ahy amin’ny fahalemeko, feno fanantenana satria Izy no manafaka ahy amin’ny famoizam-po, feno finoana satria Izy no manafaka ahy amin’ny fisalasalana, feno herim-po satria Izy no manafaka ahy amin’i Satana. Nanomboka teo aho dia nanam-patokiana, nohavaozina ny saiko ; hanana eritreritra masina aho, hilaza teny marina… Novidina lafo aho, nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina, ary nanjary mpandova ny fanjakana. »

Hoy ny Baiboly, mameno izany fijoroana ho vavolombelona izany :

“Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra… Tsy maintsy hateraka indray ianareo” (Jaona 3:3, 7).

“Fa fony mbola tsy nanan-kery isika, dia maty Kristy … hamonjy ny ratsy fanahy” (Romana 5:6).

“Raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo” (2 Korintiana 5:17).