Alatsinainy 23 Marsa 2020
Rain’ny kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra, ao amin’ny fonenany masina. Salamo 68:5
Sambatra izay olona manao an’i Jehovah ho tokiny. Salamo 40:4
Izany no tantaran’ity mpitondratena iray nonina tany akaikin’i Sidona, tamin’ny andron’ny mpaminany Elia (1 Mpanjaka 17:9-16). Namely ny tany manontolo ny mosary. Efa saiky tsy nanana na inona na inona intsony io vehivavy io. Ny zanany lahy sisa no teo aminy, kanefa tsy manana hamelomana azy intsony izy. Mbola nanana koba kely tao amin’ny barìka izy, sy diloilo kely tao anaty tavoara. Nandeha nitsimpona kitay izy, hahandroany ny mofo hamboariny. Hihinana izany izy mianaka, ary avy eo dia ho faty… Tsy nisy nantenainy intsony teo amin’ny fiainana.
Teo am-pitsimponana kitay izy no tonga ny mpaminany Elia, ary nangataka hanina taminy. Nambarany taminy ny toerana mampalahelo nisy azy, kanefa nisisika ihany ilay mpaminany niteny hoe : “Anaovy mofo kely ihany aho aloha”. Nankatò ilay mpaminanin’Andriamanitra ravehivavy, ary araka ny nampanantenainy, dia nitranga ny fahagagana. Tsy lany ny koba, ary tsy ritra ny diloilo. Nanana hanina mandra-pahatapitry ny mosary ilay mpitondratena sy ny zanany.
Angamba isika, toa io vehivavy mpitondratena io, ao anaty toejavatra toa mampamoy fo ? Tsy manantena na inona na inona intsony eo amin’ny fiainana. Tsy misy fanantenana intsony, tsy misy andrasana afa-tsy ny fahafatesana, hoy ny eritreritsika…
Mbola misy ihany “koba kely eran-tànan’ila ao amin’ny barìka sy diloilo kely foana ao amin’ny tavoara”, zavatra heverintsika ho tsinontsinona. Nefa aoka isika hanao toy io vehivavy mpitondratena io, hampiasa izay kely, sisa ananantsika, ary hanome an’Andriamanitra ny toerana voalohany sy hametraka aminy ny tokintsika. Mihevitra ny mpitondratena sy ny kamboty Andriamanitra. Mahery Izy ka afaka manova izay bitika ananantsika, mba hisy amby ampy hahasahana izay ilaintsika sy ny ankohonantsika (2 Korintiana 9:8).