Alahady 22 Marsa 2020

(Hoy Jesosy :) Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo ; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Jaona 14:27

Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy. Filipiana 4:7

 

Tsara ny zavatra rehetra

 

Na mizotra am-piadanana toy ny ony ny diako,

Na mivalombalona sy mitosaka amiko ny alondrano,

Na inona na inona alefan’ny tananao, dia nampianarinao aho hiteny hoe :

Tsara ny zavatra rehetra, ry Jesosy, tsara ny zavatra rehetra ho an’ny fanahiko.

 

Na manafika ahy tsy an-kiato aza i Satana, ary miavosa ny fahoriana,

Dia hatoky tanteraka mandrakariva aho

Fa nahita ny fahoriam-be mihatra amiko Jesosy Kristy,

Ary nalatsaka ny rany ho fanavotana ny fanahiko.

 

Ny ota —eny, io vesatra manery ny foko io !

Ny otako manontolo —ary eritreritra mahatretrika ny hoe—

Nohomboana teo amin’ny hazofijaliana, ka tsy eo intsony ny entako.

Koa misaora an’Andriamanitra, amin’ny andro rehetra iainanao, ry fanahiko !

 

Kristy no antony ahavelomako : aoka ho izany no filamatro.

Ary raha mitady hanafotra ahy ny ranobe,

Dia tsy hatahotra akory aho, satria na eo amin’ny fiainana na ao amin’ny fahafatesana

Dia bitsibitsihinao amin’ny fanahiko, ao amin’ny miafina, ny fiadananao.

 

Ny andrasako, ry Tompo, dia Ianao, ny fiverenanao !

Satria ny lanitra no tanjoko, fa tsy ny fasana.

Ny trompetran’ny anjely, ny feon’ny Mpamonjiko,

No fanantenana mahafaly sy fiadanan’ny fanahiko.

 

Mba hafaingano anie, ry Tompo, io andro io : ny finoana miova ho fahitana ;

Lasa ny rahona, toy ny zavona tanihin’ny hainandro ;

Maneno ny trompetra, ary midina ny Tompo !

Tsara ny zavatra rehetra, miaraka aminy ! Mifalia, ry fanahiko !

 

Tononkalo anglisy natao dikanteny malalaka — Horatio Spafford