Asabotsy 21 Marsa 2020

Indro, zava-miafina no ambarako aminareo : tsy hodimandry (tsy ho faty) avokoa isika rehetra, fa ... hovaina isika rehetra. 1 Korintiana 15:51, 52

Ny Tompo ... mahari-po aminareo... ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra. 2 Petera 3:9

 

Zava-hitranga tsy manan-tsahala

Ao amin’ny Baiboly dia misy trangan-javatra ara-tantara sasantsasany niseho tamin’ireo taonjato lasa, nambaran’ny faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha tamin’ny fomba azo antoka, taloha lavitry ny nitrangany. Azo antoka tanteraka toy izany koa ireo faminaniana momba ny hoavy. Fa ambonin’ny tranga rehetra voambara, dia misy iray tsy manan-tsahala, nefa mety ho tanteraka na rahoviana na rahoviana, amin’ny fotoana tsy fantatsika. Tokony hiandry azy io an-kafanam-po sy am-pifaliana ny kristiana tsirairay, satria io tranga io dia ny fiverenan’ny Tompo Jesosy haka ireo rehetra novonjeny, mba hiaraka aminy (1 Tesaloniana 4:15-17).

Io faminaniana io dia ampian’ny Tenin’Andriamanitra famantarana maromaro mampiseho fa efa akaiky ny fotoana hahatanterahany, ka hifarana tsy ho ela intsony ny vanimpotoanan’ny fahasoavana. Anisan’ireny famantarana ireny ny tsy firaharahan’ny ankamaroan’ny olona ny Filazantsara ; ny ampahan’ny tontolo kristiana manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa mandà ny heriny (2 Timoty 3:5) ; ireo firenena mitady lalam-pihavanana amina marimaritra iraisana (1 Tesaloniana 5:3) ; ny fipoirana fanjakana jiosy indray (Ezekiela 37:21)… Ireny famantarana ireny dia maneho fa efa antomotra ny hiverenan’i Jesosy mba haka ny Fiangonany, dia ny fitambaran’ireo rehetra nametraka ny tokiny taminy.

Ny fiandrasan’ny kristiana ny Tompo dia tokony hitaona azy tsy hifikitra amin’ny raharahan’izao tontolo izao, sy hahatonga azy ho vavolombelona mafana fo, vonona mandrakariva hiainga ho any an-danitra. Nampanantena ny olony Jesosy hoe : “Ho avy indray Aho ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa” (Jaona 14:3). Maharavo ny mpino ny fiandrasana io fotoana io, ary manosika azy hitory ny maha maika ny hafatry ny Filazantsara : “Mihavàna amin’Andriamanitra anie ianareo !” (2 Korintiana 5:20).