Asabotsy 20 Marsa 2020
[Ny] Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra ... mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra, mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, amin’ny fampiononana izay ampiononan’Andriamanitra anay. 2 Korintiana 1:3, 4
Nahatsapa ny fahalemem-panahy sy hatsaram-pon’Andriamanitra aho, rehefa niantsoantso Azy tao amin’ny fangirifiriako, nipetraka tao amin’ny efitranon’i Haddon, namaky ny Baiboliko. Nalain’io Andriamanitra malemy fanahy sy feno fitiavana io ny zanako lahikely, ho any amina toerana izay mampilamina azy tanteraka ankehitriny. Any izy dia afaka mahafantatra ny fitiavan’Andriamanitra manontolo. Tsy tokony hanana ahiahy aho, amin’ny maha reny ahy, momba io fotoana nahalasanany io, satria fantatro izy fa tafiditra teo no ho eo sy tam-pilaminana tanteraka teo amin’ny fanatrehan’i Kristy. Manomboka izao i Haddon dia afaka mibanjina ny endriky ny famindrampo sy ny fahasoavana, ary tsy afaka harary intsony.
Andriamanitra dia tsy nampanantena lalana mora, hahatongavan’ny olony haingana any an-danitra, nefa kosa mampanantena fa hitondra antsika ho any. Ary mandra-pahatonga any, dia “akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torotoro fanahy” (Salamo 34:18).
Tiantsika ho fantatr’ireo mahita antsika hoe anaty ranomaso sy andro manjombona be, fa mijoro tsara isika ao anatin’ny fangirifiriantsika, satria Jesosy efa nitondra teo amin’ny tenany ny famaizana ny fahotantsika, efa nitsangana tamin’ny maty, ary efa naharesy ny fahafatesana. Tsy faran’ny zavatra rehetra tsy akory ny fahafatesana, ho an’ny kristiana. Fa ho an’ireo izay tsy te handray kosa an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjiny, ny fahafatesana dia mitondra ho amin’ny fanamelohana mandrakizay. Mivavaka aho mba hihaino ny vaovao mahafaly ambaran’ny Filazantsara izy ireo androany, ary hametraka ny tokiny amin’Andriamanitra, Ilay Mpandresy lehibe, Mpandresy ny fahafatesana. »
araka an’i Lisa Blanco