Alakamisy 19 Marsa 2020

Hitahy anao anie Jehovah, ka hiaro anao ; hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah, ka hamindra fo aminao ; hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah, ka hanome anao fiadanana. Nomery 6:24-26

 

Mbola amin’ny hoavy ny fifalianay mandrakizay (1)

« Nalain’ny Tompo ho any aminy i Haddon zanaka lahikelinay. Tamin’izy teo ambavahoana, dia mbola afaka nihira fihirana iray ho azy izahay, araka izay mba vitanay. Notrotroiko farany tetỳ an-tsandriko izy, sady nilazako fa mbola hihaona tsy ho ela izahay. Dia nomeko an’i Ernie vadiko izy, ary nibitsibitsihany ity andininy mahafinaritra ity hoe : “Hitahy anao anie Jehovah…” Izany no teny farany henon’i Haddon.

Na dia foana tao anatin’ny fahaverezan-kevitra sy ny alahelo aza ny fanantenanay amin’ny maha ray aman-dreny anay, dia navelan’ny Tompo nanao ny fandevenana tanaty fiadanam-po tsy takatry ny saina izahay. Natahorako mafy ny hahita ilay vatampaty kely, kanefa nony tonga tokoa ny fotoana, dia nasehon’Andriamanitra ahy haingana fa tsy ao intsony ny zanako, fa ny vatany ihany io, ary tsy mijaly ao intsony izy. Nampahatsahiviny ahy fa efa nitsangana tamin’ny maty Jesosy, ary i Haddon koa hitsangana tahaka izany. Mbola tsy nahatsapa fiadanam-po lalina toy izany aho, teo amin’ny fiainako. Nijery ireo fasan-jazakely manodidina ahy aho, ka naminavina ny fitsanganan’ireo ankizy ireo, indray andro any, eo amin’ny fanatrehan’ny voninahitr’Andriamanitra. I Haddon koa dia hitsangana. Izany no fatokianay, momba ilay zanakay. Mbola amin’ny hoavy ny fifalianay mandrakizay.

Ny foko naratra dia mianatra ny hino fa tsy ny maha reny tsy akory no fahasambarako lehibe indrindra. Rehefa hijoro amin’izay eo anatrehan’i Kristy ny vahoakan’Andriamanitra, dia hahalala ny fifaliana mandrakizay sy mampivelatra, izay efa andramantsika sahady eto an-tany, indraindray, na dia eo anivon’ny ranomaso aza. »

(hitohy)