Alarobia 18 Marsa 2020

Nirenireny tany an’efitra ireny... Noana sy nangetaheta izy, sady reraka ny ainy tao anatiny. Dia nitaraina tamin’i Jehovah ireo, raha ory, ka novonjeny tamin’ny fahatereny ; dia nitondra azy tamin’ny làlana mahitsy Izy ... Aoka hidera an’i Jehovah ireo noho ny famindrampony sy ny fahagagana ataony amin’ny zanak’olombelona. Salamo 107:4-8

 

Ny Baiboly dia miresaka momba ahy … sy momba anao (7)

Izaho mihitsy no resahin’izany teny izany ! Rehefa mamaky io Salamo 107 io aho, dia mahita ny tenako ao amin’ny andininy tsirairay. Matetika loatra aho no mahatsiaro tena ho very, noana fahasambarana, mangetaheta fiadanana sy fiainana mendrika hiainana… matetika loatra no mahatsiaro tena ho ambaniana, ho reraka. Indraindray aza aho dia torotoro noho ny loza manjo, ao anaty fahoriana lalina, tsy mahita izay atsimo sy avaratra, mivembena toy ny olona mamo… mahatsapa tena ho toy ny eny ambony ranomasina misamboaravoara, tsy manana vahaolana intsony mba tsy ho rendrika…

Ny Baiboly anefa dia manamafy fa efa nihatra tamin’olona hafa tany alohako izany trangam-piainana izany. Fa ny mbola mahaliana ahy kokoa, dia hoe maro tamin’ireo niaina izany no niantsoantso an’Andriamanitra, nanary ny tsy finoany, ireo fisalasalany, ny fahendreny manokana, ny fikomiany tamin’Ilay Mpahary satria namoy fo. Niantsoantso izy ireo ... satria tsy nahafantatra intsony hoe inona no hatao, tsy manana na inona na inona intsony, vonona ny hanaiky na inona na inona, mba ho tafavoaka.

Mampahatsiaro ahy ny tenako izany. Mba mampahatsiahy anao ny tenanao koa ve ? mampahatsiahy toejavatra sasany nampamoy fo teo amin’ny fiainanao, na ny toeran-tsarotra misy anao ankehitriny mihitsy aza angamba, ka itolomanao mafy mba hialana ? Te hamaly anao Andriamanitra, tsy hoe hanao izay rehetra nofinofisinao tsy akory, fa hitarika anao “amin’ny làlana mahitsy”, dia ilay hany tsara. Asehony anao Ilay Mpamonjy natolony anao, dia Jesosy Kristy. Taominy ianao hiaiky eo anatrehany fa diso lalana, ka mila ny famelan-keloka sy fanampiana avy aminy ankehitriny. Taominy ianao mba hatoky Azy. Asehon’ny tohin’ny teny ao amin’ny Baiboly antsika, fa rehefa miantso an’Andriamanitra am-pinoana dia mahita ny zava-mahatalanjona ataony noho ny fitiavany…