Talata 17 Marsa 2020
(Hoy Solomona mpanjaka :) Mifalia amin’ny fahitana ny fahafinaretana ; kanjo, indro, zava-poana koa izany. Mpitoriteny 2:1
(Hoy ny apostoly Paoly :) Izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana. Filipiana 4:11
Solomona dia mpanjaka tena nanankarena fatratra, nanana izay rehetra niriny. Olon-kendry ihany koa izy, nisaintsaina momba ny dikan’izao fiainana eto an-tany izao. Ny bokin’ny Mpitoriteny, ao amin’ny Baiboly, no mampahafantatra antsika ireo zavatra niainany sy ireo nodinihiny. Mameno io boky io, toy ny fiverenan-kira mampalahelo, ny teny hoe “zava-poana”. “Zava-poana dia zava-poana… zava-poana ny zavatra rehetra” (1:2), izany hoe tsy misy dikany, tsy misy afa-tsy lanjany mamitaka.
Ny apostoly Paoly kosa dia niasa tsy nitsahatra, nampiely ny Filazantsara. Rehefa antitra izy dia saiky nandao azy avokoa ny namany rehetra, ary nataon’izy ireo tsinontsinona ireo zavatra nampianarany. Nogadraina tao an-tranomaizina tany Roma i Paoly noho ny finoany, kanefa nahatsiaro ho sambatra. Nanoratra izy hoe : “Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo” (Filipiana 4:4).
Solomona dia nahatsapa fangidiana sy tsy fahafahampo lehibe. Tsy mba toy izany kosa ny an’i Paoly, fa fifaliam-po tena marina, ary naharitra sy lalina !
Hain’Andriamanitra ny mifidy ireo mpitondrateniny : Tsy ho naharesy lahatra loatra, raha mpanjaka tsy nanan-javamahory no miteny hoe “mifalia mandrakariva”. Ary tsy ho nanaitra kosa, raha gadra tsy nisy mpijery no miteny hoe “zava-poana dia zava-poana”. Nefa mahagaga, fa ilay mpanjaka no niaiky ho tsy afa-po, ary ilay gadra kosa nahatsiaro ho faly !
Solomona mantsy dia nitady ny fahasambarana teto an-tany, ka tsy nahazo fahafaham-po. Paoly kosa nahita fifaliana tao amin’i Jesosy Kristy niakatra any an-danitra. Mamboraka amintsika ny tsiambaratelony io gadra feno fifaliana io : “Ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra, noho ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko… ka ataoko ho taimboraka ireny, mba hahazoako an’i Kristy” (Filipiana 3:8).