Alatsinainy 16 Marsa 2020
Koa amin’izany, manetre tena ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoanandro ; ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra ; fa Izy no miahy anareo. 1 Petera 5:6-7
Tamin’ny taonjato faha-19 dia antony anisan’ny voatonona matetika indrindra, hoe naharendrika ny sambo, ny vesatra tafahoatra nentiny. Tamin’ny taona 1872 i Samuel Plimsoll (1824-1898), mpanao politika anglisy, onena ireo tantsambo sy ny ankohonan’izy ireo, dia namoaka boky nilaza ny isan’ny olona maty teny amin’ny faritra amorontsiraka britanika, sy ny antony nahatonga izany. Nanaitra fatratra ny mpamaky io boky io, nefa dia mbola voatery niady mafy sy naharitra ela i Plimsoll, mba hampankatò lalàna (1875) nanery ny mpamboatra sambo hanoritra, eo amin’ny lafin’ny vatan-tsambo, tsipika mamaritra ny vesatra be indrindra azo entina. Mbola manan-kery mandraka ankehitriny izany tsipika izany, ary fantatra amin’ny anarana hoe : “tsipik’i Plimsoll”.
Ry kristiana, isika ve mba mahafantatra ny tsipik’i Plimsoll-ntsika ? mba mahafantatra izay manavesatra antsika tafahoatra ka mitarika antsika ho sahisahy ratsy ? Matoa isika sahiran-tsaina, ohatra, na tototry ny asa, na sorisorena mafy… dia angamba efa nihoatra ny tsipik’i Plimsoll. Nefa misy ihany koa vesatra hafa, saro-takarina kokoa, mety haharendrika antsika : isika ve tsy miraharaha ny hafa, na afa-po loatra amin’ny tenantsika ?
Aoka isika hianatra hanatona an’i Jesosy mandrakariva, mandritra ny tontolo andro. Raha eo amin’ny fanatrehany isika no mahatsapa ireo tena vesatra manindry antsika, ka mametraka izany aminy, dia hisolo toerana antsika Izy hitondra izany, ary hanome antsika ny fitsaharany sy ny fiadanany. “Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana” (Matio 11:28).
Ary raha milentika toa an’i Petera isika, dia aoka hivavaka toy ny nataony, hoe : “Tompo ô, vonjeo aho !” Hoy ny filazantsara amintsika : “Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin’izay Jesosy, dia nandray azy” (Matio 14:31).