Alahady 15 Marsa 2020

Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe : Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota. Lioka 18:13

Kristy Jesosy, Izay nasehon’Andriamanitra tamin’ny rany ho fanavotana amin’ny finoana. Romana 3:24, 25

 

Teny iray sarotra : fanavotana

Rehefa mamaky ireo andininy roa nomena antsika androany ireo isika, dia mety hanontany tena hoe inona moa ny ifandraisan’izy ireo. Ny valiny, dia satria tena mifanakaiky ny teny grika midika hoe “mamindra fo” sy hoe “fanavotana”, samy avy amin’ny teny fototra iray ihany. Ny teny voalohany dia milaza fa ny fahatezeran’Andriamanitra ara-drariny amin’ny mpanota dia tokony havily mba tsy hihatra amin’ilay mpanota ; ny faharoa kosa dia maneho ny fomba hitan’Andriamanitra mba hampitony io fahatezerany io.

Masina Andriamanitra, ary “madio maso ka tsy te hitsinjo ny ratsy” (Habakoka 1:13). Mahari-po Izy, saingy tsy mahazaka ny ota, ary tiany ho fantatsika izany : “Fa aseho avy any an-danitra ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny faharatsiana rehetra sy ny tsy fahamarinan’ny olona” (Romana 1:18). Miaraka amin’izany koa anefa, dia “tia ny olona rehetra hovonjena” Izy (1 Timoty 2:4), satria tiany izy ireo, na dia nanao ratsy aza. Koa dia nahita fomba Izy hampifanarahany ny fahatezerany noho ny ota sy ny fitiavany antsika tsirairay. “Nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16). Jesosy Kristy dia nanaiky hisolo toerana antsika, mba hizaka ny fanamelohana sahaza antsika. Naviliny hihatra amin’ny tenany ny fahatezeran’Andriamanitra. Amin’ny teny hebreo, ny teny hoe “fanavotana” dia akaiky ny matoanteny hoe “manarona, mandrakotra” : Jesosy dia “nanarona” ny fahotantsika, koa ankehitriny dia tsara fijery antsika Andriamanitra, vonona hamindra fo.

Aoka isika tsy handalo fotsiny izany fitiavana tena lehibe izany, aoka tsy hanao tsinontsinona izany “famonjena lehibe” izany (Hebreo 2:3). Satria roa ihany ny safidy : “Izay mino ny Zanaka, manana fiainana mandrakizay ; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy” (Jaona 3:36).