Asabotsy 14 Marsa 2020
Ho tranon-kala ny tokiny. Miankina amin’ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny ; mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny. Joba 8:14, 15
... Izy ... manenona ny tranon-kala... Ny tranon-kalany tsy azo atao fitafiana, ary ny asany tsy mahatafy azy. Isaia 59:5, 6
Nisy tranon-kala nitapelaka teo anelanelan’ny ahitra avo, nanakaiky ny tany ; nahafinaritra ny nijery azy rakotry ny fanala. Asa marefo dia marefo ! Raha vao kasihina kely fotsiny dia ho rava.
— Nisy naman’i Joba iray, nampiasa izany sarisary izany mba hilazany ireo izay “manadino an’Andriamanitra” : nambarany fa ho toy ny “tranon-kala” ny tokiny. Zava-poana ny miantehitra amin’ny fahamendrehan’ny tena mba ho ara-dalàna eo anatrehan’Andriamanitra.
— Ny mpaminany Isaia dia nandray io sarisarin’ny tranon-kala io koa, rehefa niresaka momba ny olona mpanota. Ahoana no hanaovana fitafiana amin’ny tranon-kala ? Toy izany ny olona te hampisongadina ny asa soa nataony, rehefa hiseho eo anatrehan'Andriamanitra. Raha ny marina, dia tena tsy ampy mihitsy hanafenana ny fahotantsika ny fitafiana toa ireny. Ny finoantsika an’i Jesosy irery ihany no mahatonga antsika ho marina eo imason’Andriamanitra, ary mandrakotra antsika amin’ny “fitafiana famonjena” sy ny “akanjo fahamarinana” (Isaia 61:10).
— Ny tranon-kala ihany koa dia sarisary miteny amin’ny mpino. Inona, na iza, no ianteherantsika eo amin’ny fiainana andavanandro ? Ny loharanon-karenantsika ve, sa ny karama raisintsika tsy tapaka, na ireo namantsika manana fahefana, mbamin’ny fahaizantsika “mikarataka” ? Izany rehetra izany dia mety ho levona vetivety, toy ny tranon-kala rovitra. Aoka isika hametraka ny tokintsika amin’ny Tompo, Izay nilaza hoe : “Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory”. Dia ho sahy hiteny isika hoe : “Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho ; inona no azon’ny olona atao amiko ?” (Hebreo 13:5-6).