Zoma 13 Marsa 2020

Sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino. Jaona 20:29

Ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. Hebreo 11:1

 

Mino satria nisy hafa nijoro ho vavolombelona

— Izaho tsy mino afa-tsy izay hitako !

— Hay, tsy mino izany ianao fa nisy i Napoléon ?

— Mino izany aho ka. Izany hoe mino izay hitan’ny masoko aho, ary mino koa izay hitan’ny hafa ka resahiny. Fantatro fa misy ny vahindanitra (galaxies), satria nahita maso izany tamin’ny fitaovana fitiliana lavitra ny mpahaikintana ; ary mino aho fa nisy i Napoléon, satria nambaran’ny mpahay tantara izany. Raha olona azo antoka no nahita ny zava-nitranga, dia inoako izany.

— Ka kristiana angamba ianao ?

— Nahoana aho no tadiavinao ho kristiana ?

— Satria mitovitovy amin’ny fihetsiko ny fihetsikao : mino an’i Jesosy Kristy aho, tsy hoe satria nahita maso Azy, fa satria nisy hafa nahita ka nanoratra fijoroana ho vavolombelona momba Azy. Mino aho fa velona Izy, satria ny mpianany sy olona hafa maherin’ny 500 no nahita Azy nitsangana tamin’ny maty (1 Korintiana 15:4-6).

Ny mpaminany ao amin’ny Baiboly dia nampita izay nolazain’Andriamanitra taminy, ary matetika izy ireo no nanoratra hoe : “Izao no lazain’i Jehovah”. Jesosy dia nilaza fa avy any an-danitra Izy ary manao asa avy amin’Andriamanitra. Kristiana maro no nijoro ho vavolombelona momba ny fomba niasan’Andriamanitra tamin’izy ireo. Noho izany dia afaka mino ireny fanambarana marobe ireny isika.

Rehefa mandray ireny fanambarana ireny aho, dia mino an’Andriamanitra, na dia tsy nahita maso Azy manokana aza. Tsy hoe mieritreritra momba an’Andriamanitra tsy akory, fa manaiky kosa izay nampitainy momba Azy. Inoantsika izay lazain’ny Soratra Masina, inoantsika izay nosoratan’ireo mpaminany ao amin’ny Baiboly. Jesosy dia nanambara fa “sambatra” ny mino toy izany.