Alakamisy 12 Marsa 2020
... na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny ... aza ianareo ... mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin’ny afo aza), dia amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy. 1 Petera 1:6, 7
Tamin’ny taona 1871 dia namoy tampoka ny zanany lahy kely 4 taona ry Spafford mivady, kristiana nonina tany Chicago (Etazonia). Fotoana vitsy taorianan’izany dia nisy hain-trano mahatsiravina nandevona ny fananany rehetra.
Rehefa afaka roa taona dia tokony handeha an-tsambo ho any Eoropa izy mianakavy. Tamin’ny fotoana niaingana anefa dia voantso hiverina any Chicago, noho ny asany, ilay raim-pianakaviana, ka namela ny vadiny sy ireo zanany vavy efatra nandeha irery. Andro vitsivitsy taorianan’izany dia nifandona tamina sambo iray hafa ny sambo antsoina hoe “Ville du Havre” nitondra azy ireo, ka tao anaty minitra vitsy dia rendrika. Nifikitra tamina hazo fisaka iray Ramatoa Spafford, tsy afaka nanao na inona na inona, nanatri-maso ireo zanany maty rendrika. Navotan’ny tantsambo tao amina sambo iray hafa izy, tonga tany Galles, dia nandefa telegrama ho an’ny vadiny, hoe : “Avotra, izaho irery”. Nanapa-kevitra handeha any aminy ralehilahy, ka niondrana tamin’ny sambo voalohany hankany Eoropa. Nandritra ny dia, indray hariva, dia nandondòna tao am-baravarany ny kapiteny, nilaza hoe : “Eto amin’ny toerana nahafaty ny zanakao isika izao”. Nijery vetivety ny rano matroka ilay raim-pianakaviana, dia niverina tany an’efitranony, nanoratra tononkalo, ka toy izao ny andininy voalohany :
Fitsaharan-danitra, ry Jesosy, izany hoe anao izany !
Anao na maty na velona,
Ary mihira am-pinoana, amin’ny andro mahory, hoe :
Tsara avokoa ny zava-drehetra, tsy lany ritra ny fiadanako !
Mety ho tojo fitsapana toa tsy ho zaka isika tsirairay. Nefa ao Andriamanitra, Izay tsy miova sady tia antsika, Ilay hany afaka manome antsika ny hery hiatrehana izany sy mameno fiadanam-po antsika. “Mahay ny zavatra rehetra aho, ao amin’Ilay mampahery ahy” (Filipiana 4:13).