Alarobia 11 Marsa 2020
Tsaroanay ny hazandrano izay nohaninay maimaimpoana tany Egypta, mbamin’ny voatango sy tongolo samihafa karazana. Fa izao dia maina ny ainay : tsy misy na inona na inona. Nomery 11:5, 6
Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra ... no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo. 1 Petera 5:10
E ! hafa ihany ny tany aloha ! Izany no nolazain’ireo olona resahin’ny andinin-tSoratra Masina voatanisa etsy ambony. Izy ireo anefa dia novonjena niala tao amina firenena nanandevo azy, ary nizotra nankany amina toerana hananany fiainana mora kokoa. Na izany aza anefa, dia tsy afa-po izy ireo, ary nimenomenona. Ka na Andriamanitra aza, nimenomenonan’izy ireo ! Toy ny hoe namitaka azy Andriamanitra, nampanantena azy ireo tombontsoa goavana sy zava-mahatalanjona !
Toy izany aho. Ianao koa, angamba ? Rariny, mazava ho azy, raha tsy tia zava-manahirana. Nefa ve isika, fara faharatsiny, mba afa-po amin’ny zavatra mandeha tsara ? mba hitantsika ve izy ireny ? mba haintsika ankasitrahina ve ? Amiko, tsy voatery ho izany. Ary matetika io tsy fahafaham-poko io dia miaraka amina fahatsapana tsy rariny : mandeha tsara kokoa ny fiainan’ny hafa ! Raha rizareo, dia tsara vintana ! Nefa anie izy ireo tsy tsara noho izaho akory e !
Lazain’ny Baiboly antsika fa tian’Andriamanitra novonjena isika, tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, mba ho tafala tamina toe-pahantrana lalina, sy lalana mitondra ho amin’ny fahaverezana mihitsy aza. Tokony hekentsika amin’ny finoana izany. Nefa manaraka izany, io Andriamanitra nanome antsika ny aina io ve, tsy hikarakara antsika ihany koa, eo amin’ny antsipirian’ny fiainantsika ? Tsy nampanantena Izy hoe ho mora ny fiainantsika, nefa milaza kosa fa ho eo Izy mba hanampy antsika, isaky ny dingana tsirairay ataontsika, ary milaza koa fa ny tanjona itondrany antsika dia fahasambarana lavorary sy maharitra mandrakizay miaraka aminy. Angamba aho, angamba ianao tokony hanaiky tsy hanao afa-tsy dingana iray hatrany hatrany, faly satria novonjen’i Jesosy Kristy tamin’ny fahafatesana mandrakizay, ary faly hiara-mandroso aminy.