Talata 10 Marsa 2020

Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoanany avy... Ao ny andro ambolena, ary ao ny andro anongotana ny nambolena ; ... ao ny andro itomaniana, ary ao ny andro ihomehezana. Mpitoriteny 3:1-4

Hihira ho an’i Jehovah aho, satria nanisy soa ahy Izy. Salamo 13:6

 

Nafindra hoe ?

Andro fanoloana tavin-janakazo ao an-jaridaina anio. Efa nihalehibe ireo zanakazo, ka tsy maintsy esorina avy ao anaty tavy nisy azy, izay tsy antonona intsony, ary atao anaty tavy lehibebe kokoa. Amin’izay dia hanana toerana malalaka kokoa ny fakan’izy ireo, ka ho afaka mivelatra tsara kokoa ny zanakazo.

Angamba izany “manakorontana” kely ihany ny zanakazo : misy fakany vitsivitsy simba ; raviny sasantsasany voasintona, voatositosika, voaforiporitra… Ary alohan’izany dia tsy maintsy hamainina kely ny tany naniriany, mba tsy hiraikitra loatra amin’ny tavy nisy azy teo aloha.

Indraindray Andriamanitra dia mampiasa ny trangan-javatra eo amin’ny fiainan’ny zanany eto an-tany, mba hanaovany asa tahatahaka izany : “afindrany” isam-potoana isika, raha vao manjary tery ny finoantsika, mba hahafahantsika mitombo, mivelatra kokoa. Marina fa mety handalo fotoana fahamainana isika, toy ny hoe mampiendaka antsika amina toejavatra tokony hilaozantsika. Isika koa dia tsy maintsy miala amin’ny zava-tsoa nampiadana antsika, ny fahazarana nahatamana antsika ; matetika anefa izany dia mampitebiteby sy mangirifiry. Fa Andriamanitra kosa dia mikarakara antsika ary tia ny hivelarantsika feno, mandra-pahatonga antsika any an-danitra, mba hiravoravo mandrakariva ao amin’ny fiainana mandrakizay nomeny antsika ao amin’ny Zanany (1 Jaona 5:11).

Aoka àry tsy hahakivy antsika ireo faharesena sy fijaliana rehetra mihatra amintsika ankehitriny, aoka isika hatoky an’Andriamanitra, Izay tia antsika ary mahafantatra ny ataony eo amin’ny fiainantsika.