Alatsinainy 9 Marsa 2020

Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ... hoe : Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany ; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana ; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao. Genesisy 2:16, 17

Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy. 1 Korintiana 15:22

 

Ny Baibolin’i Adama

Andriamanitra dia nametraka an’i Adama tao anaty saha mahafinaritra, feno hazo fihinam-boa, rehefa avy namorona azy. Afaka nigaga tamin’ny voary noforonina i Adama, voary vavolombelon’ny hatsaram-pon’Ilay Mpahary taminy.

Niteny tamin’io olona voalohany io koa Andriamanitra, ary nanome azy toromarika mazava, ampahatsahivina ao amin’ny andininy voasoratra etsy ambony, avy ao amin’ny Genesisy. Ho an’i Adama, dia ireo toromarika ireo no “Tenin’Andriamanitra” tamin’izany fotoana izany, azo lazaina hoe : “ny Baibolin’i Adama”.

Inona no nanaovan’i Adama ny “Baiboliny” ? Ny toko faha-3 ao amin’ny Genesisy no mitantara amintsika : niseho teo i Satana, nandainga sy nanohitra ankarihary ny tenin’Andriamanitra. Nihaino azy i Adama sy Eva, nisalasala ny amin’ny hatsaram-pon’Andriamanitra sy ny Teniny. Tsy nankatò an’Andriamanitra izy ireo, ary dia tonga ny fahavoazana. Araka ny nambaran’Andriamanitra mialoha, dia maty i Adama sy Eva…

Ankehitriny, toa an’i Adama fahiny, ny olombelona dia mahita maso ny voary, izay vavolombelona maneho maneran-tany ny hery sy hatsaram-pon’Ilay Mpahary. Ananan’ny olona ihany koa ny Tenin’Andriamantra, izany hoe ny Baiboly, boky efa feno ankehitriny.

Dia miverina indray ilay tantara mampalahelo : nohajambain’i Satana ny olona, ka tsy mino izay lazain’ny Baiboly ary misalasala ny amin’ny hatsaram-pon’Andriamanitra. Tahaka ny ray aman-dreniny voalohany, dia mpanota izy ireo. Tsy nankatò ka maty…

Kanefa, teo anivon’izany tantara maloka izany, dia nisy fahazavana nipoitra : tonga tetỳ an-tany Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra. Nanohitra an’i Satana Izy, ary nitoky tamin’Andriamanitra. Nankatò Izy, ary nankatò hatramin’ny farany. Nanolotra ny ainy teo amin’ny hazofijaliana Izy, ho an’olona meloka sy tsy mpankatò. Maty ho azy ireo Izy, kanefa nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo. Resy ny fahafatesana, tsy nanan-kery intsony i Satana (Hebreo 2:14). Ary ireo rehetra mino an’i Jesosy dia mandray ny fiainana mandrakizay.