Alahady 8 Marsa 2020
Reraka aho, dia namonjy ahy Izy (Andriamanitra). Salamo 116:6
Aina sy famindrampo no nomenao ahy. Joba 10:12
« Nahatsapa fahabangana lehibe tao anatiko aho, fahabangana nahatonga ahy ho latsaka tao anaty harerahantsaina lalina indrindra. Amiko :
— Andriamanitra dia tsy nisy araka ny maha Izy Azy ; tsy inona Izy fa izay ahafahako miaina : rivotra, masoandro, rano, ary sakafo.
— Jesosy dia nitory ny fitiavana, saingy olona ihany Izy.
— Ny Baiboly dia boky toy ny boky hafa rehetra ihany, sokajiana ho anisan’ny boky mitantara zavatra mampitolagaga.
Miaramila aho taloha. Indray takariva, avy tao amin’ny trano fisotroan’ny andian-tafika nisy ahy aho, dia nisy mpiara-miasa iray niresaka tamiko momba ny Filazantsara. Na dia somary mamomamo aza aho tamin’izay, dia nieritreritra izany nony alina. Ny ampitson’io, rehefa nody ho any an-tanànako aho satria faran’ny herinandro, dia nandray olona nanakana fiara teny an-dalana. Nasainy aho hiara-misotro zavatra aminy ; niditra tao amina trano fisotroana kristiana izahay, tamin’ny fotoana nifaranana takariva fitoriana Filazantsara tao. Rehefa avy niresaka tamin’ny pasitera aho, dia tonga saina fa niantso ahy Andriamanitra, satria tsy nino aho hoe misy ny kisendrasendra. Teo no nahatsapako sy nahatakarako fa mila miova aho. Nanohy niresaka tamiko matetika momba ny Filazantsara ilay mpiara-miasa tamiko, ary niara-nanatrika fivoriana fandinihana Baiboly fanao isan-kerinandro izahay. Ny volana aogositra tamin’io taona io aho dia nanomboka nandeha tao amin’ilay fiangonana ara-pilazantsara teo an-tanànanay, ary natao batisa tao, tamin’ny fiandohan’ny taona manaraka. Novain’ny Tompo avokoa ny zavatra rehetra tao anatiko. Efa 30 taona aho izao no an’ny Tompo, ary na dia tsy mora lalandava aza ny fiainana nanomboka tamin’io fotoana io, dia tsy mba nanenenako ny maha an’ny Tompo ahy. »
V. G.