Asabotsy 7 Marsa 2020

Fa raha ny amiko, dia ataoko ho zavatra kely foana, na hotsarainareo aho... fa ny Tompo no Mpitsara ahy... Ny Tompo ... hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina ka hampiseho ny fikasan’ny fo ; dia samy hahazo izay derany avy amin’Andriamanitra izy rehetra. 1 Korintiana 4:3-5

 

Nokianin’ny olona, nankasitrahin’Andriamanitra

Intelo ireo filazantsara no miresaka amintsika momba an’i Maria avy any Betania.

— Lioka 10:38-42 : Nandray an’i Jesosy tao an-tranony i Maria sy Marta rahavaviny. Nisahirana fatratra i Marta tamin’ny fandraisana ity vahinin’izy mirahavavy, fa Maria kosa nipetraka teo an-tongotr’i Jesosy. Sondriana nihaino an’i Jesosy izy, ka nanadino ny zavatra hafa rehetra. Sorena tamin’izany i Marta, ka nitaraina tamin’i Jesosy. Jesosy kosa nilaza taminy hoe : “Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy”.

— Jaona 11:1-44 : Vao avy namoy an’i Lazarosy anadahiny i Maria. Nipetraka tao an-tranony izy, ary nitomany. Nisy Jiosy tonga nampionona azy. Efa nilazana Jesosy, saingy tsy mbola tonga… Indro anefa i Marta fa nampitondra hafatra ho an’i Maria, hoe : “Tonga ny mpampianatra (Jesosy) ka miantso anao”. Avy hatrany izy dia nitsangana. Noheverin’ny Jiosy fa hankany amin’ny fasana izy mba hitomany, kanefa tsy nahatakatra izy ireo ! Teo an-tongotr’i Jesosy no nalehany, hitomany. Niara-nitomany taminy Jesosy, ary avy eo nanangana ny anadahiny tamin’ny maty.

— Jaona 12:1-8 : Nitombo ny fankahalan’ny Jiosy an’i Jesosy, ary tsapan’i Maria fa efa antomotra ny fotoana hanamelohana an’i Jesosy. Koa tiany ny haneho ny fitiavany sy ny fitsaohany Ilay vonona hanolotra ny ainy hamonjeny olo-meloka. Mbola teo am-pisakafoana Jesosy, niaraka tamin’i Marta sy Lazarosy ary mpianatra maro hafa, no nandraraka zava-manitra sarobidy teo amin’ny tongony i Maria. Nokianina mafy izy noho io nataony io. Fa tamin’i Jesosy kosa, dia fihetsika tena manan-danja io. Nankasitrahiny ampahibemaso i Maria : “Asa soa no nataony tamiko” (Matio 26:10), hoy Jesosy.

Nihaino Ilay Mpampianatra azy i Maria, nitomany teo an-tongony, nitsaoka Azy. Tsy takatry ny olona izy, ary nokianiny mafy aza. Saingy nahazo ny fankasitrahan’i Jesosy i Maria, ary ampy azy izany !