Zoma 6 Marsa 2020

Ianareo ... dia voantso ho an’i Jesosy Kristy. Romana 1:6

Ianareo no fanasin’ny tany. Matio 5:13

 

Tena kristiana tokoa ve aho ?

Inona no antsoina hoe kristiana tena izy ? Olona mandeha any am-piangonana ve, sa olona vita batisa ? Na raha tsorina kokoa, olom-pirenena ao amina firenena nandray ny fivavahana kristiana ? Rehefa nandeha ny fotoana, dia niha very be ny hevitra sy lanjan’ny teny hoe “kristiana”. Zara raha mbola ampiasaina io teny io, ilazana olona tena niova fo ho amin’ny finoana kristiana, olona mpianatr’i Jesosy Kristy. Fandre tokoa ny fiteny hoe : “Tsy ny fitafiana no maha mpivavaka”. Andriamanitra tsy mijery ny etỳ ivelany, fa ny fo (1 Samoela 16:7). Araka izany dia kristiana ivelany fotsiny ny olona tsy mila an’i Jesosy Kristy, kanefa mihevitra ny tenany ho kristiana satria mankany am-piangonana na manao asa soa. Izany olona izany dia tsy manana fifandraisana amin’Andriamanitra, Izay mandinika ny fo.

Ny olona tena “kristiana” dia niaiky fa mpanota eo anatrehan’Ilay Andriamanitra masina, ary nametraka ny finoany sy ny fitokisany manontolo ao amin’i Jesosy Kristy, Izay voahombo teo amin’ny hazofijaliana noho ny fahotan’io olona io. Mahatsapa fitsaharana toy inona tokoa moa, rehefa mahafantatra fa Jesosy no niaritra ny famaizana noho ireo fahotana ireo ! Maty Izy, ary nitsangana tamin’ny maty, nampiseho tamin’izany ny maha Zanak’Andriamanitra Azy.

Tsy tsara noho ny hafa tsy akory ny kristiana. Mitovy toetra amin’ny hafa ihany izy, mamoaka eritreritra maloto sy manao zava-dratsy : avonavona, lainga, hatezerana… Fa rehefa nanaiky an’i Jesosy ho Mpamonjiny kosa izy, dia mandray ny fiainana mandrakizay, ka afaka maneho sy manana andraikitra haneho eo amin’izao tontolo izao ny toetran’Ilay Mpamonjiny. Ny andrasan’ny Tompo Jesosy avy amin’ireo navotany dia ny mba ho vavolombelony : “Aseho ho epistilin’i Kristy izay entinay ianareo” (2 Korintiana 3:3). Mba mampiseho izany ve ny fiainako ?