Alakamisy 5 Marsa 2020

Efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah ; eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra... Andro fahatezerana izany andro izany, andro fahoriana sy fahalahelovana. Zefania 1:14, 15

Miomàna hihaona amin’Andriamanitrao. Amosa 4:12

 

Tandremo, loza mahafaty !

Nihotsaka tampoka ny tilikambo iray teo amin’ny mandan’i Jerosalema ; olona valo ambin’ny folo no maty, nianjerany : trangan-javatra mahatsiravina, toy izay fahita ankehitriny ihany. Saingy Jesosy, Izay niaina tamin’ny fotoana nitrangan’izany, dia manatsoaka lesona ho antsika : izany dia kisarisarin’ny fitsarana sahaza ny olona rehetra noho ny tsy nankatoavany an’Andriamanitra, fitsarana ho tonga aminy raha tsy mibebaka izy (Lioka 13:4-5).

Mibebaka ny olona satria meloka ! Ary isika rehetra dia meloka avokoa, satria nanidy ny fontsika tsy hihaino ny feon’Andriamanitra, ary niaina tsy niankina taminy. Meloka isika satria nanao, na niteny, na nieritreritra zavatra mifanohitra amin’ny sitrapony, ary izany dia faniratsirana ny fahefany. Mihoatra noho izany aza, meloka isika rehefa mandà ny fitiavan’Andriamanitra, satria Izy ninia mihitsy naniraka an’i Jesosy Kristy Zanany, mba hanafaka antsika tsy hiharan’ny fitsarana sy ny fanamelohana. Noho ny fitiavany, dia mampitandrina antsika rehetra amin’ny loza Andriamanitra, ary mampanambara ny fomba hahafahana amin’izany. Jesosy Kristy no lalana tsy maintsy arahina, mba hanatonana an’Andriamanitra ; fahamarinana tsy maintsy henoina ; ary fiainana tsy maintsy raisina, amin’ny fankanesana eo aminy. Tsy ho voavonjy isika, raha tsy amin’ny finoana Azy. Maimaimpoana io famonjena io, atolotr’Ilay Andriamanitry ny fahasoavana.

Raha nisy olona afaka nampitandrina ireo olona 18 nianjeran’ny tilikambo ireo, momba ny loza nananontanona azy ireo, dia ho hadalan’izy ireo ny tsy nihaino ilay fampitandremana ! Raha tsy misy an’Andriamanitra anefa ny lalantsika, dia mitondra ho amin’ny fahaverezana ; tonga amin’ny olona rehetra ny fahafatesana, ary aorianan’izany, ny fitsarana sy fijaliana tsy misy fiafarany, lavitra an’Andriamanitra. Anio Andriamanitra dia mandodona antsika handray ny famelan-keloka atolony sy ny fiainana mandrakizay ao amin’i Jesosy Kristy.