Alarobia 4 Marsa 2020

Jehovah hanohana azy eo ambonin’ny farafara itsaboana azy ; ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovainao.
Hoy izaho : Jehovah ô, mamindrà fo amiko ; sitrano ny fanahiko.
Salamo 41:3, 4

 

Ny Baiboly dia miresaka momba ahy … sy momba anao (5)

Sarotra ny miresaka momba ny aretina… rehefa eo ny fanaintainana ara-batana, rehefa mihena hery, rehefa sarotra amin’ny mpitsabo ny manome toky… rehefa mba tsy te hanaintaina intsony ny tena, rehefa mba te ho sitrana, te hiverina hanao ny asa aman-draharaha andavanandro, te hifaly miaraka amin’ny havana, ary na rehefa avy niaretana aza ny teny mikaviavia ataona mpamangy te haneho ny fiombonam-pony…

Ny olona marary dia afaka mahita, ao anaty Baiboly, fiteny na tantara mifanaraka amin’izay iainany, mifanaraka amin’ireo fanahiany. Dia hanana teny Andriamanitra, hampaherezany sy hampiononany azy ireny.

Tsy voatery hanasitrana tsy akory Andriamanitra, na dia hainy atao aza izany. Tsy refesi-mandidy Izy, ary tsy terentsika hanazava izay ataony.

Kanefa aho dia mahita teny mampahery, ao amin’ny Baiboly. Na inona na inona hiafaran’ny aretina, dia tian’Andriamanitra hiaina ny fanatrehany sy ny fikarakarany ilay marary. Izy no Ilay mahatakatra tsara indrindra izay manjo ny olona mijaly, ary afaka manohana azy.

Misy anefa fahasitranana afaka ho azo antoka, dia ny fahasitranan’ny fanahy. Tonga tetỳ an-tany Jesosy, ho Andriamanitra mpitsabo. Nanasitrana ny aretin’ny vatana Izy, kanefa ny tena notadiaviny dia ny hamonjy antsika amin’ilay aretina mahafaty, dia ny ota. Io fahasitranana io aloha no tokony hirintsika, satria ilaintsika rehetra, ary azo antoka fa omeny ho an’ireo rehetra mangataka izany aminy.