Talata 3 Marsa 2020
Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa, noho ny amin’i Kristy. Eny tokoa, fa ataoko ho fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra, noho ny fihoaran’ny hatsaran’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy Tompoko... Miezaka aho hihazona izay nihazonan’i Kristy Jesosy ahy. Filipiana 3:7, 8, 12
« Indray mipy maso dia voakasika ny foko, ka nino aho. Nino aho, nanaiky mafy aoka izany ; nientana izaitsizy ny tenako manontolo, resy lahatra tanteraka, nahazo antoka tsy haina fisalasalana nidirana, hany ka nanomboka teo, dia tsy afaka nanozongozona ny finoako, na nahakasika azy akory aza, izay rehetra mety ho boky, na hevitra alahatra, na zavatra tsy ampoizina eo amin’izao fiainana misafotofoto izao.
Nandramako naverina tato an-tsaiko ireo minitra nanaraka io fotoana tsy nisy toa azy io, ka izao no nisongadina : « Sambatra erỳ ny olona mino ! Ary raha marina tokoa moa izany ? Ie, tena marina izany ! Misy Andriamanitra, eo Izy. Misy Izy, toy ny maha misy ahy ! Tia ahy Izy, miantso ahy Izy ». Dia nitomany aho, nigogogogo.
Tsy nisy voakitika ireo rijan-kevitra filôzôfika naha resy lahatra ahy. Navelan’Andriamanitra teo amin’ny toerany teo ihany ireo, zavatra tsinontsinona taminy, tsy misy hitako hoe tokony hovaina. Mbola nijoro hatrany koa ny fanorenan’ireo hevitro sy ireo fahalalako, ary tsy nahitako kilemany. Saingy ny zava-nisy fotsiny dia hoe : tafavoaka niala tao aho. Fisiana vaovao sy mahatalanjona no nanambara ny tenany tamiko, Fisiana tsy haiko ampifanarahana amin’izay manodidina ahy, na inona na inona.
Ny harivan’io andro tsy hay hadinoina io ihany aho dia nandray Baiboly ; ary sambany vao henoko ny fanenon’ilay feo malefaka sy tsy hay ampanginina intsony, nanakoako tao am-poko.
Eny, marina tokoa fa Jesosy dia Zanak’Andriamanitra ; miaiky izany aho, toy ilay kapiteny. Ka inona koa no hiraharahako izay zavatra hafa rehetra, oharina amin’ity Fisiana vaovao sy tsy manan-tsahala vao naseho ahy ? »
Paul Claudel