Alatsinainy 2 Marsa 2020
Fa ny teny ny amin’ny hazofijaliana dia fahadalana amin’izay ho very, fa herin’Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena.
Fa izahay kosa mitory an’i Kristy voahombo tamin’ny hazofijaliana... dia Kristy, Izay herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra. 1 Korintiana 1:18-24
Mitantara ny niovany fo i Paul Claudel, mpanoratra (1868-1955) :
« Teraka tamin’ny 6 aogositra 1868 aho. Tsy niraika tamin’izay resaka finoana ny fianakaviako, ary nanjary tsy nanan-draharaha tamin’izany intsony, nony tonga tany Paris izahay. Vita komonio voalohany soa aman-tsara aho, dia io no fanompoam-pivavahana farany natrehiko. Nianatra tao amin’ny lycée Louis-le-Grand aho. Vao niditra tao amin’io toeram-pianarana io aho, dia niala tanteraka tamiko ny atao hoe finoana, izay toa tsy afaka mifanaraka amin’ny maha maro ny tontolo misy olombelona monina. Izay olona rehetra fantatra anarana tao amin’ny haikanto, siansa, na haisoratra dia tsy mpivavaka.
Koa rehefa valo ambin’ny folo taona aho, dia nino izay ninoan’ny ankamaroan’ny olona natao hoe manam-pahalalana tamin’izany fotoana izany, ka nihevitra fa voafehin’ireo “lalàna” ny zavatra rehetra, ary ity tontolo ity dia fifandrohizana mafy eo amin’ny voka-javatra sy ny antony, izay ho voavahavahan’ny siansa tanteraka ao aoriana kely. Naloto fitondrantena aho, ary tafalatsaka tsikelikely tao anaty famoizam-po.
Nahatonga tahotra mafy tato anatiko ny fahafatesan’ny raibeko ; ary tsy afaka tato an-tsaiko mihitsy ny fieritreretana ny fahafatesana. Nadinoko tanteraka ny resaka fivavahana, ary toy ny olon-dia tsy mahalala na inona na inona aho, momba izany. Dia mbola sempotra sy kivy hatrany aho.
Toy izany ity zatovo nampalahelo niditra tao amin’ny katedraly Notre-Dame-n’i Paris ny 25 desambra 1886, mba hanatrika ny fotoam-pivavahana Noely… Nohirain’ny ankizy mpihira, tamin’izay, ilay fihirana fantatro tatỳ aoriana fa antsoina hoe “Ny foko mankalaza ny Tompo”. Nijoro tao anivon’ny vahoaka aho, teo anilan’ny andry faharoa. Ary tamin’izay no nitranga ny toejavatra hisy akony amin’ny fiainako manontolo. »
(hitohy)