Alahady 1 Marsa 2020
Mihobia ho an’Andriamanitra, ry tany rehetra. Mankalazà ny voninahitry ny anarany ; omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy... Avia, mihainoa ianareo rehetra izay matahotra an’Andriamanitra, fa holazaiko izay nataony ho an’ny fanahiko. Salamo 66:1-2, 16
Ny mpanoratra ity salamo ity dia mitaona ny tany rehetra hidera, ary hihoby ho an’Andriamanitra mihitsy aza. Fa nahoana moa ? Satria toy ny efa iainany sahady ilay andro hiankohofan’ny tany manontolo sy hihirany ho fankalazana ny fiandrianan’Andriamanitra sy ny Anarany (and 4).
Ambarany ny fiderany an’Andriamanitra, Izay nanafaka fahiny, hitany eo anatrehany ireo fanafahana ireo, tahaka ny hoe niainany, ary taominy ny mpino mba hitsaoka an’Andriamanitra : “Avia, ka jereo ny asan’Andriamanitra” (and 5). Fanafahana maro no nanamarika ny tantaran’ny Israely. Ary ny mpino tamin’ny vanimpotoana rehetra dia afaka maneho ny fiderany Ilay Andriamanitra nanafaka azy.
Taonjato roapolo taorianan’ny niandohan’ny fivavahana kristiana, ny fisiantsika mpino ankehitriny fotsiny dia efa manaporofo ny tsy fiovan’Andriamanitra sy ny heriny. Na teo aza ireo fanenjehana sy ireo fampianarana mivaona nikendry handrava ny Fiangonan’ny Tompo, dia mbola mijoro hatrany izy io, ary hita maso manerana izao tontolo izao.
Rehefa avy nampahatsiahy amin’ny ankapobeny ny asan’Andriamanitra ny mpanao salamo, dia manambara ny zavatra niainany : “Avia, mihainoa ianareo rehetra izay matahotra an’Andriamanitra, fa holazaiko izay nataony ho an’ny fanahiko” (and 16). Izany zavatra niainana manokana tantarainy am-panetren-tena izany dia manan-danja handresy lahatra sy hitaona olona mba hino. Ny kristiana dia miaina fanafahana ; afaka miresaka momba ny Tompony izy, satria mahafantatra Azy. Rehefa mamaly vavaka antsika Andriamanitra, dia tsy noho ny fahamendrehantsika tsy akory, mazava ho azy, fa noho ny fahamoram-panahiny sy ny famindrampony. Mbola antony hafa koa izany, hanehoantsika ny fifaliantsika !