Asabotsy 29 Febroary 2020
Ny lalàna dia nomena tamin’ny alalan’i Mosesy ; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Jaona 1:17
... isika ... tsy ambanin’ny lalàna, fa ambanin’ny fahasoavana. Romana 6:15
Nomen’Andriamanitra Lalàna ny vahoaka Israely, tamin’ny alalan’i Mosesy. Io lalàna io dia nilaza izay notakian’Andriamanitra tamin’izy ireo, ary nampanantenainy azy ireo ny fitahian’Andriamanitra, raha mankatò izy ireo. Nandidy ny olona handeha araka ny fitsipik’Andriamanitra io lalàna io, ary nampitandrina azy momba ny vokatry ny tsy fankatoavana.
Amin’izao vaninandro iainantsika izao, ny Lalàna dia mbola takela-by mpanondro lalana hatrany, azo antoka, ary ho an’ny olona rehetra. Manoro antsika ireo soatoavina ara-toe-panahy ankasitrahin’Andriamanitra izy, ary mitsilo ny fitondrantenantsika manoloana izay takiany. Ny Lalàna dia tahaka ny fitaratra ahafahantsika mahita tsy miangatra ny tenantsika, araka ny maha isika antsika, araka izay ahitan’Andriamanitra antsika. Ary asehon’io fitaratra io antsika tsirairay fa isanandro isika dia tsy mankatò an’Andriamanitra. Noho izany dia manameloka antsika rehetra ny Lalàna.
Nefa Andriamanitra tsy nianina tamin’ny fampahafantarana izany antsika. Fitiavana Izy, ary te hamonjy ny voariny, izay meloka sy very. Nirahiny ho etỳ an-tany Jesosy Kristy Zanany “mba hahavelona antsika amin’ny alalany” (1 Jaona 4:9). Maty teo amin’ny hazofijaliana Jesosy, nisolo toerana antsika ka nizaka ny famaizan’Andriamanitra sahaza antsika. Izany no fahasoavana akambana amin’ny fahamarinana.
Ny fahasoavana dia fanomezana maimaimpoana, tsy azo noho ny fahamendrehana : tsy mila manao na inona na inona isika, afa-tsy ny manaiky izany, mandray ny Tompo Jesosy ho Mpamonjy. Ary tsy nianina fotsiny tamin’ny fanolorana antsika ny famelan-keloka Izy. “Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra” (Jaona 1:12). Izany no fiandohana fitahiana tena izy sady be dia be.