Zoma 28 Febroary 2020

Jesosy ... nanao taminy hoe : Inona no tadiavinareo ? Ary hoy izy roa lahy taminy : Raby (izay atao hoe, raha adika, Mpampianatra ô), aiza Ianao no mitoetra ? Hoy Izy taminy : Avia, fa ho hitanareo. Koa dia nandeha izy ka nahita izay nitoerany ary nitoetra teo aminy. Jaona 1:38, 39

 

Resy lahatra aho fa Jesosy no Ilay Mesia (2)

« Hitako fa Jesosy dia Raby nilaza ny marina. Tao amina sehatra sy tontolo takatry ny Jiosy rehetra no nitenenany, ary tamina fomba tena nanaitra ahy. Nankasitrahiko ny nataony, ao amin’ny tantara tsirairay resahin’ireo filazantsara. Afaka herinandro maromaro dia nanambara aho fa tena resy lahatra hoe Jesosy no Ilay Mesia, ary nanao ny tenako ho anisan’ny mpianany. Tsy nila fanambarana manokana aho, fa finoana tsotra ihany : nanana antoka aho fa an’Ilay maty sy nitsangana tamin’ny maty mba hahafahako manana ny fiainana mandrakizay.

Nony tafaverina tany Frantsa aho dia somary ratsy ihany ny nandraisan’ny ray aman-dreniko ny faharesen-dahatra vaovao nijoroako. Ny fahatsapan’izy ireo mantsy dia hoe nivadika taminy aho, satria noheveriny fa nitsipaka ireo fanantenana naorin’izy ireo tamiko. Nila fiaingana vaovao aho, mba ho afaka mitombo amin’ny finoana vaovao niainako. Koa nanapa-kevitra hankany Canada aho. Ary naka vady an’i Judy aho tamin’ny 1976, satria nakamban’ny fitiavana izahay. Mba tiako indrindra raha nanatrika teo ny ray aman-dreniko, saingy tsy niresaka tamiko intsony izy ireo raha vao nanambara ny finoako an’i Jesosy aho. Nandà tsy hifandray tamiko izy mivady, nandritra ny iraika ambin’ny folo taona. Rehefa teraka ireo zanakay vao mba nanaiky namitrana ny fifandraisana izy ireo, ary isaorako an’Andriamanitra izany.

Tsy nanenina mihitsy aho nitoky tamin’i Jesosy sy nametraka ny fiainako teo am-pelatanany. Tao aminy no nahitako ny valin’ireo fanontaniana lehibe fototra eo amin’ny fiainana. Ary dia mankasitraka mandrakariva an’Andriamanitra aho noho izany. »

araka an’i William