Alakamisy 27 Febroary 2020

Tonga tamiko ny tenin’i Jehovah nanao hoe : Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro. Jeremia 1:4, 5

 

Iza marina moa aho ? (1)

« Teraka tany Tunisie aho, tao amina fianakaviana jiosy. Tamin’ny taona 1950 tany ho any dia nifindra nonina tany Paris ny ray aman-dreniko. Nanomboka teo aho no nametraka fanontaniana momba ny maha izaho ahy. Rehefa 16 taona aho dia nankany Israely ary nipetraka tany amina “kibboutz” iray (toeram-pamokarana ara-pambolena iombonana) nandritra ny enim-bolana. Traikefa nahatalanjona ho ahy izany, ary nahatonga ny fanontaniako ho lalindalina kokoa : Fa iza marina moa aho e ? Jiosy teraka tany Tunisie, nobeazina tany Frantsa, mbola mikaroka hatrany ny maha izy azy. Tokony hanaraka ny kolontsain’ny ray aman-dreniko ve aho ? sa tokony hiditra ao amin’ny kolontsaina frantsay, ka hanjary “Jiosy ara-piarahamonina”, jiosy anarana fotsiny ary mandà ny fomban-drazany ?

Tao amin’io “kibboutz” io aho dia nifanena tamin’i Judy, tovovavy kristiana tonga avy any Canada mba hizaha ny tanin’ny Baiboly. Nanontanitaniako momba izay inoany izy, ka farany aho dia nividy Baiboly. Arakaraka ny nandrosoako namaky izany no nampitombo ny fanontaniana tato anatiko. Nefa dia hitako tao hatrany koa ny valin’ireo !

Ny Baiboly dia mitanisa anaran’olona efa nahazatra ahy, toa an’i Abrahama, Mosesy, Davida mpanjaka. Hitako fa niaina tao anaty fifandraisana amin’Andriamanitra izy ireo. Taitra aloha aho, dia liana nony avy eo. Tampoka teo dia tonga saina aho : izaho koa izany, Jiosy toniziana, dia afaka mifandray amin’Andriamanitra, ary afaka manana fifandraisana manokana aminy mihitsy aza ! Ankoatra izany, diso ny fomba fijeriko an’i Jesosy taloha : noheveriko hoe tsy Jiosy Izy. Teny am-pamakiana ny Baiboly teny aho dia nahita Azy hoe Raby hafa tanteraka, tsy araka ilay mpampianatra nambaran’ny olona tamiko : Jesosy dia tia ny vahoaka jiosy. »

(hitohy)