Alarobia 26 Febroary 2020

Natao ho isan’izay ... tsy manan-kery [aho] ; efa nafoy ho any amin’ny maty aho, tahaka izay voavono, mandry ao am-pasana... Voahidy aho ka tsy afa-mivoaka... Very hevitra. Salamo 88:4, 5, 8, 15

Ny saina tsy miovaova dia harovanao amin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy. Isaia 26:3

 

Ny Baiboly dia miresaka momba ahy … sy momba anao (4)

Valaka… Teny fandre etsy sy eroa. Nefa matoa ampiasaina io teny io, dia satria milaza zava-misy. Teny milaza havizanana tanteraka, izay matetika vokatry ny asa be. Nanjary fampiasa ankehitriny io teny io, fa ny aretina kosa dia tsy vaovao, ary … ny Baiboly no efa namariparitra io aretina io tao anaty soratra tranainy an’arivo taona maromaro lasa izay ! Araka izany, ny mpanao salamo voalaza etsy ambony (sy izaho, ary ianao koa angamba !) dia mahatsapa hasasarana mafy, tsy manan-kery intsony, toy ny efa ho faty, feno tebiteby, mahatsiaro tena ho voahidy, ary tsy sahy mivoaka rahateo. Nivavaka mihitsy aza izy, kanefa toa tsy nisy valiny… Asa be tafahoatra, ampiana zava-manahirana tsy ahitana vahaolana, dia indro fa mahatsapa ho “lany” ny tena, ary manjonitra.

Nefa rehefa miresaka olana ny Baiboly, dia lazainy antsika koa ny fomba tian’Andriamanitra hamahana izany. Ny salamo voalaza etsy ambony dia manambara ihany koa Ilay Andriamanitry ny famonjena. Eny, mamonjy Andriamanitra, na dia ao anaty toejavatra mampamoy fo aza ! Koa nahoana àry isika indraindray no toa mahatsapa fa tsy mamaly Izy ? Mety mba hitsapany ny fatokiantsika Azy, satria matetika isika no tsy miantso Azy raha tsy ao anaty fahoriana. Iriny mafy mantsy ny hahafantarantsika Azy ho Ray mikarakara ny zanany, mijery ny antsipirian’ny fiainan’izy ireo, fa tsy ho milina mpizara fanafahana fotsiny ka tsy ifandraisana mivantana !

Aoka isika mbola hiantso Azy hatrany, amin’ny anaran’i Jesosy, ary hahazo antoka fa hamaly antsika Izy, amin’ny fotoanany sy amin’ny fomba tsara indrindra.