Talata 25 Febroary 2020
Raha miantso aho, mamalia ahy, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô. Salamo 4:1
Niandry dia niandry an’i Jehovah aho ; ary nitodika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako. Salamo 40:1
Kristiana maro no mihevitra fa nisy fotoana, toa nidona fotsiny tamin’ny fanginan’Andriamanitra ny vavaka nataony. Ahoana no hiainana ireny fanginana ireny, toy ny hoe tsy misy valiny ny vavaka atao ? Ao amin’izany toejavatra izany, dia ohatra tsara alaina tahaka ny mpanao salamo. Tsy niraviravy tanana izy ireo, fa vao mainka aza nivavaka mafy kokoa. Tsy dia hoe teny ho ren’ny sofina no nangatahiny, fa valimbavaka ahitany an’Andriamanitra miditra an-tsehatra mba hamonjy azy.
Ny toa fanginan’Andriamanitra dia mampianatra antsika hanavaka ireo fihevitsika manokana sy ireo fihevitry ny Tompo. “Fa tahaka ny haavon’ny lanitra noho ny tany no haavon’ny làlako noho ny làlanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo” (Isaia 55:9).
Ny fanginan’Andriamanitra dia mitarika antsika haka toerana sahaza kokoa eo anatrehany, am-patokiana, mba hiandry ny fanafahany ary tsy hamoy fo, satria fantatsika fa tia antsika Izy. Hamaly Izy, amin’ny fotoana mahamety izany sy amin’ny fomba tandrify indrindra. Izany fiandrasana izany dia tsy tokony hampanalavitra antsika amin’ny fanatrehany, fa ny mifanohitra amin’izany aza. Hoy Davida, izay nanoratra salamo maro : “Amin’ny andro fahoriana ... hampiery ahy amin’ny fierena ao an-dainy Izy (Andriamanitra) ; hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy” (Salamo 27:5). Any amina salamo hafa, i Asafa, izay ory mafy tao amin’ny fanahiny, dia nahatakatra ny sitrapon’Andriamanitra ka nanatona tsotra fotsiny ho eo anatrehany (Salamo 73:17).
Tsy hangina mandrakariva tsy akory Andriamanitra. Mamaly Izy, manafaka, mamonjy, amin’ny fotoana voatendriny.