Alatsinainy 24 Febroary 2020

Fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon’ny zanak’olombelona. Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin’ny ataony ? Kanefa misy fanao iray itenenan’Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman’ny olona izany. Joba 33:12-14

 

Andriamanitra hoe no tompon’andraikitra ?

Rehefa mivaona ny zavatra rehetra, dia Andriamanitra, matetika, no ampangaina ho tompon’andraikitra. Fa inona re no nataoko an’Andriamanitra, no dia iharan’izao loza izao aho, na voan’izao aretina izao ? hoy ny olona. Rehefa mandeha tsara kosa ny zavatra rehetra, dia tsy heverina loatra ho avy amin’Andriamanitra izany. Tsy mba fandre firy ny hoe : Tsara Andriamanitra, salama tsara aho, manana ny ampy. Rehefa ratsy ny fandehan-javatra, dia Andriamanitra no ampangaina ; rehefa mandeha tsara ny zavatra rehetra, dia heverina ho zo, na noho ny nataon’ny tena. Ny fahasambarana dia avy amiko, fa ny loza kosa dia avy amin’Andriamanitra. Aoka isika ho marina ! Ary raha mba avy aminy koa moa ireo zavatra mahafaly eo amin’ny fiainantsika ? Mba nisaotra Azy ve isika noho ny fahafinaretana, ny fiadanana, na ny sakafo nomeny antsika androany ?

Nanilika Ilay Andriamanitra tsara fo ny olombelona, tamin’ny nanomboany an’i Jesosy Zanany teo amin’ny hazofijaliana. “Ny soa nataoko novaliany ratsy, ary ny fitiavako novaliany fankahalana” (Salamo 109:5). Noho izany faniratsirana izany, dia ho azon’Andriamanitra natao tsara ny nanjera ny olombelona meloka tao anaty fahoriana.

Tsy nanao izany anefa Andriamanitra ! Tiany isika rehetra, na vesaran’ny fitondrantena ratsy, na afa-po satria nanao asa mendri-piderana. Tiany isika, tsy noho ny maha isika antsika anefa, fa noho izay nataony ho an’olona mendrika ny fitsarany sy ny fanamelohany ; ka eo no miseho ny fahasamihafana. “Andriamanitra dia fitiavana. Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika : Andriamanitra naniraka ny Zanany Lahitokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany. Izao no fitiavana : tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika” (1 Jaona 4:8-10), izany hoe mba hamafany ireny.