Alahady 23 Febroary 2020
Maria ... nipetraka teo anilan’ny tongotry ny Tompo ka nihaino ny teniny. Fa Marta sahirana tamin’ny fanompoana be...
Ny Tompo namaly ka nanao taminy hoe : Marta, Marta, maro ahina sy maro herehina ianao ; nefa zavatra iray loha no ilaina ; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara, izay tsy halaina aminy. Lioka 10:39-42
Androany dia mandray vahiny manan-kaja i Marta : tonga hisakafo ao aminy Jesosy. Mikarakara etsy sy eroa izy, mivezivezy eran’ny trano. Fa Maria rahavaviny kosa dia tsy mba nihetsiketsika be tahaka azy. Nipetraka teo an-tongotr’i Jesosy izy, liana nihaino Azy. Koa sorena i Marta : Jesosy ve tsy mba afaka miteny an’i Maria hanampy azy ? Tsara hosaintsainina ny teny navalin’i Jesosy : “Maro ahìna sy maro herehina ianao… fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara”.
Tsy ny asa ataon’i Marta tsy akory no anomezan’ny Tompo tsiny azy, fa ny fanahiana sy ny adin-tsaina aterak’izany. Variana amin’ny zavatra ataony izy, ka manjary tsy mahita ny tena zava-dehibe. Maria kosa nahatakatra fa rehefa miteny Jesosy, dia ny mihaino Azy no laharam-pahamehana voalohany indrindra ! Any aoriana izy dia hanatanteraka ny anjara fanompoany, ary hahazo fankasitrahana feno avy amin’ny Tompo.
Hafatra tena mivaingana no raketin’io tantara io. Manao ahoana ny fihainontsika, rehefa miteny amintsika Andriamanitra ? Zara raha mba mihaino Azy ve isika, sady manohy ihany ny asa aman-draharahantsika ? Maimaika fotsiny ve isika no mamaky Baiboly, ao anaty tabataba, na manaiky ho voahelingelina tsy tapaka amin’ireo hafatra sy antso tonga ao amin’ny findaintsika ? Iza no sahy hihaino ny lehibeny amin’ny sofina an’ila sady manao zavatra hafa ? Ilay Andriamanitsika ve tsy mendrika ny tena hohenoina tsara am-pilaminana sy am-pitandremana ? Tsy ahitana tombontsoa ve ny mihaino tsara ny hafatra omeny ?
Ndao haka fotoana hiatoana, hipetraka sy hanidy varavarana araka izay azo atao, mba tsy ho voahelingelin’ny tontolo manodidina, izay sarotsarotiny sy tsy ahitam-pitsaharana. Izany no “anjara tsara” tokony hokatsahina amin’ny fomba rehetra, isanandro isanandro !