Asabotsy 22 Febroary 2020

Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany...
Tsy efa nanoratra zavatsoa ho anao va aho, izay misy hevitra tsara sy fahalalana, mba hampahafantariko ny fahamarinan’ny teny mahatoky ianao ?
Ohabolana 22:6, 20, 21

 

Fenitra azo antoka

Izao taonjato iainantsika izao dia miha mandà kokoa hatrany ny fiheverana fa tokony hisy fenitra ankapobeny mifehy ny fitondrantenan’ny olombelona. Hindrahindraina ny fahafahana amin’ny lafiny rehetra. Midika izany fa izaho irery ihany no mitsara izay ataoko, ary tsy misy na iza na iza manana fahefana hitsara ny fomba fiainako, na hametraka fitsipika tsy maintsy arahiko. Izany fihevitra izany dia miara-dalana amin’ny fandavana ny finoana kristiana. Rehefa manao izany ny tsirairay, dia mihevitra fa manorina fahasambarana “araka izay safidiny manokana”. Nefa izany ve no izy ?

Na dia manana izay finiavana tsara indrindra aza, dia mety ho diso. Ambaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly mantsy fa “tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany” (Jeremia 10:23), ary koa “misy làlana ataon’ny olona ho mahitsy, kanjo làlana mivarina any amin’ny fahafatesana no iafarany” (Ohabolana 14:12).

Ireo izay voasakana teo amin’izany lalana mahafaty izany, noho ny antson’i Jesosy Kristy, noho ny Filazantsara, dia tena mila mihitsy ireo fenitra azo antoka voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, mila mahafantatra sy manaraka azy ireo. Tsy mora izany, satria mandeha manoha riana ny fiarahamonina manodidina antsika ; kanefa kosa “ny fitahian’i Jehovah no mampanankarena” (Ohabolana 10:22). Tsy voatery ho ara-bola izany fananana izany, fa voalohany indrindra, fiombonana feno fahasambarana amin’Ilay Andriamanitsika.

Ary aza hadino ny mampianatra izany amin’ny zanatsika, araka izay ambaran’ny andininy nomena androany.