Zoma 21 Febroary 2020

Mino isika fa ny fahasoavan’i Jesosy Tompo no hamonjena antsika. Asan’ny Apostoly 15:11

Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha. Efesiana 2:8-9

 

Tsy filamatra fotsiny, fa Mpamonjy

“Jesosy no filamatra lehibe ho ahy. Izany no nitarika ahy hiditra lalina tamin’ny fanaovana asa soa eo amin’ny fiarahamonina, nanompo ireo faran’izay mahantra, mba hiezahako hanahaka Azy sy ho tonga amin’ny famonjena, raha mety. Saingy rehefa nohazavain’ny Filazantsara aho, dia nahita fa diso lalana. Alohan’ny haha môdeliko an’i Jesosy, dia tokony ho Mpamonjiko aloha Izy. Takatro fa tsy afaka mamonjy samirery ny tenako aho, ka tokony handray ny famonjena, izay fanomezana maimaimpoana avy amin’Ilay Andriamanitry ny fahasoavana.

Tsy misy olona te handray avy hatrany fotsiny ny zavatra rehetra noho ny fahasoavana. Isika dia mifikitra mandrakariva amina fanantenana miafina hoe hahita “toetra tsara” ao anatintsika ao, ary tsy avelan’ny hambom-pontsika hiaiky hoe tsy misy izany. Nefa raha miaiky isika, dia hahatsapa hafatra mifono fahasoavana tsy hay refesina misongadina avy ao amin’ny Baiboly : koa noho ny fahasoavana irery ihany, izany, amin’ny alalan’ny finoana, no anamarinana antsika. Mifaly indrindra aho nampahafantarin’Andriamanitra izany fahamarinana izany. Nopotehiny tato anatiko ilay finoana lalina sy mandoza mihevitra fanavotana ataon’ny tena samirery.” (Toon Vanhuysse)

“Dingana sarotra ny manilika ny fisainan’ny tena —momba ny fahamendrehana, tombontsoa, fahatsaran-toetra— mba handray tsotra fotsiny ihany sy an-tanam-polo, ny fanomezan’Andriamanitra, fanomezana hita ao amin’i Jesosy Kristy” (Richard P. Bennett).

 

Amin’izao toetrako izao, tsy manana na inona na inona

Afa-tsy ny ranao latsaka mba hanadiovana ahy

Sy ny feonao miantso ahy hanatona Anao,

Inty tamy aho, ry Zanak’ondrin’Andriamanitra !