Alakamisy 20 Febroary 2020

Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen’ny Zanak’olona (Jesosy) anareo. Jaona 6:27

Izay tia ny ainy no mahavery izany ; fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hiaro izany ho amin’ny fiainana mandrakizay. Jaona 12:25

 

Tsy mba nahita fiainana

“Fantatrao moa, tsy mba nahita fiainana aho. Tsy mba nanokana fotoana hieritreretana loatra, toy ny ataon’ny sasany. Niasa tsy ankijanona aho. Nandositra nankany aloha. Ankoatra ny fialan-tsasatra, ny zavatra rehetra nataoko dia nataoko be dia be, ka na tamin’ny asa, na fahafinaretana, na vola, na fahefana, dia toy ny azon’aretin-tsaina mahatonga ho tenda an-kanina aho.” Izany no teny-na mpanentana iray ao amin’ny fahitalavitra sy ny onjampeo, mampiseho fa tena maha ory indrindra ny hoe tonga amin’ny faramparan’ny andro iainana no mahatsapa fa tsy mba nahita fiainana.

Tsy hitondra na inona na inona isika rehefa maty, na vola, na voninahitra, na fahefana. “Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala” (1 Timoty 6:7). Inona no hijanona ho antsika ? Tsy misy, raha toa isika tsy manana afa-tsy izay avy amin’ity tontolo ity.

Andriamanitra anefa dia mitaona antsika hihazona tsy misy hataka andro ny tena fiainana (1Timoty 6:19). Nolazain’ny apostoly Paoly tamin’i Timoty izany : “Hazòny ny fiainana mandrakizay” (1 Timoty 6:12). Tsy hoe haharitra mandrakizay fotsiny izany fiainana izany, fa koa, dieny izao dia efa ahazoantsika fitahiana tsy hita isa. Ahoana no hahazoana izany ? Hoy Jesosy : Izay mino Ahy no manana ny fiainana mandrakizay (Jaona 6:47). Ny hoe mino an’i Jesosy, dia ny mandray Azy, ka omeny zo ho tonga zanak’Andriamanitra (Jaona 1:12) sy hiantso an’Andriamanitra hoe Ray. Ary rehefa manana fiainana mandrakizay dia manana fiombonana amin’Andriamanitra sy amin’i Jesosy Kristy Zanany (1 Jaona 1:3). Amin’izay isika dia afaka manaiky hotarihiny, hampianariny, hampiany ary hampiononiny eo amin’ny fiainantsika eto amin’ity tany ity. Ny fanahintsika dia miandrandra fahasambarana, fiadanana, ary fahatoniana. Io fifandraisana feno fatokiana amin’Andriamanitra io no ahafahantsika, dieny ankehitriny, miaina izany rehetra izany noho ny finoana an’i Jesosy Kristy.