Alarobia 19 Febroary 2020

Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin’ny masoandro ; fa, indro, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany...
Fa inona no azon’ny olona amin’ny fisasarany rehetra... ? Fa ny androny rehetra dia fanaintainana avokoa, ary ny fisasarany dia fahasorisorena ; eny, na dia amin’ny alina aza dia tsy manam-pitsaharana ny fony. Zava-poana koa izany.
Mpitoriteny 1:14 ; 2:22, 23

 

Ny Baiboly dia miresaka momba ahy … sy momba anao (3)

Tsy ny olona rehetra no nahazo tombontsoa hanana asa fivelomana. Nefa ny olona rehetra dia mahafantatra fa na tsy manana anton’asa aza, dia mety ho sondriana amina raharaha iray mahalany ny fotoana sy ny hery manontolo.

Ity boky ao amin’ny Baiboly antsoina hoe Mpitoriteny ity dia ahitana akon’ny fangidiana mety ho tsapa rehefa nanome ny zavatra rehetra —asa, fahafinaretana, fialamboly, sns— mba hanatontosana raharaha iray. Dia atao inona anefa izany, raha zohina ? Nisasatra aho, mba nino hoe ilaina ilay izy… ary tsy tsapako akory hoe mandeha ny fotoana, mandalo ny fiainana. Izany no atao hoe mandany fotoana ; koa dia izao no manjary hitako : rehefa fandaniana fotoana no hany atao mandritra ny fiainana, dia miara-very amin’ny fotoana ihany koa ny fiainana…

Rehefa nanohy namaky ny bokin’ny Mpitoriteny aho, dia nahita ny fampitandremana hoe : “Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao ; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andro fahatanoranao ; ... nefa aoka ho fantatrao fa hoentin’Andriamanitra hotsaraina ianao amin’izany rehetra izany” (11:9). Koa satria Andriamanitra manome fotoana anao, dia tsy maintsy hampamoahiny ianao. Hanontaniany anao izay nampiasanao izany fotoana izany : ho an’ny tombontsoanao manokana ve, sa mba hahafaly Azy ?

Nefa ve ianao afaka hahafaly Azy ? Fitsarana no sahaza ny helokao tsirairay. Ahoana no hahafahanao miala amin’izany fitsarana izany ? Minoa ny Tompo Jesosy, dia ho voavonjy ianao. Ary homen’Andriamanitra anao ny hery hanaovanao izay ankasitrahiny, hanompoanao Azy. Mbola ho hitanao koa, ao amin’ny Mpitoriteny hatrany, ny fampirisihana mba tsy handanilany fotoana, fa hanararaotra ny fotoana omen’Andriamanitra anao, mba hanompoana Azy : “Amin’ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin’ny hariva dia aza atsahatra ny tànanao” (11:6).