Alatsinainy 30 Marsa 2020

Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray. 1 Korintiana 12:13

Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo. Efesiana 4:4

 

Ny maha iray ny Eglizy : fototra iorenany

Tena zava-misy tokoa ve ny maha iray ny Fiangonana ? Raha etỳ ivelany mantsy, dia tsy fiangonana tokana no hitantsika, fa fiangonana maro, samy mifikitra amin’ny fahasamihafany avy…

Nefa tena eo ilay zava-misy ara-panahy, izay Andriamanitra irery ihany no mahafantatra azy tsara. Ny Teniny dia manambara amintsika fa noforonina ho vatana iray ny Fiangonana, voarafitry ny tena mpino rehetra, mpino onenan’ny Fanahy iray, ary manana fanantenana iray.

— Vatana iray : Tsy hetsika ara-pivavahana isan-karazany, na fisoratana anarana ao amina bokim-piangonana samy manana ny azy, fa zavamananaina iray, vatana iray hetsehin’ny ain’i Kristy, ary hita eo amin’ny toerana rehetra misy ny ain’i Kristy. Aoka mba ho an’ny Fiangonana manontolo ny fitiavantsika sy vavaka ataontsika !

— Fanahy iray : Tsy sitrapo samy mahaleo tena, na fahazarana ara-kolontsaina samihafa, fa Fanahy iray avy amin’Andriamanitra, mba hampiray ny mpino, sy hanatanjaka azy ireo, ary hitarika azy ireo. Aoka àry isika, amin’ny fihetsika ataontsika, tsy handà izany firaisana naorin’ny Fanahy Masina izany !

— Fanantenana iray : Tsy hevitra maro mifanipaka, fa hoavy mahatalanjona iray iombonana. Na samihafa toy inona aza ny asa aman-draharahantsika eo amin’ny diantsika eto an-tany, dia iray ihany kosa ny tanjona hitodiantsika : ny tranon’ny Ray, toerana hivoriantsika rehetra manodidina an’i Jesosy Mpamonjy antsika. Amin’izay dia hamirapiratra fatratra, satria lavorary, ny maha iray ny Fiangonana. Ela ny ela, amin’izay, ka ho faly aoka izany isika rehetra hahita an’i Jesosy sy hiara-mitsaoka Azy !