Alatsinainy 10 Marsa 2025
(Hoy Jesosy :) Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo. Jaona 14:27
Tahaka ny savoka ny foko : miempo ato anatiko izy. Salamo 22:14
Reraka ny foko. Salamo 40:12
Ny fiadananao, ry Jesosy
Nitety ny lalankely tetỳ an-tany Ianao, ry Tompo,
Nataon’izao tontolo izao tsinontsinona, nefa nankasitrahin’ny Ray ;
Nankahala Anao ny olona, fa Ianao kosa nitia azy,
Tsy nikorontana fo Ianao, niadam-po mandrakariva.
Nihanisava moramora ny haizin’ny alina,
Efa nivavaka tamin’Andriamanitra sahady Ianao, Ianao Ilay miankin-tena.
Namely ny danik’andro mitataovovonana, ka sasatra Ianao, tao Sikara,
Nanasitrana fanahy iray, ary nanome azy fanantenana.
Ny hariva dia mbola vahoaka maro noana no niandry Anao.
Onena ny fonao, ka novokisanao izy rehetra ireo.
Teny ambony ranomasina nisamboaravoara, dia niady mafy nivoy izy roambinifolo lahy,
Ianao kosa, tao anaty sambokely, natory niadam-po.
Nefa rehefa nanangasanga ny aloky ny hazofijaliana,
Dia nangorohoro Ianao, tao Getsemane,
Nandao Anao ny fonao tamin’ny alina, tao Kalvary,
Niempo tahaka ny savoka, mba hanome ahy ny fiadanana.
Endre, ireto onja, ry Tompo : toa avo dia avo ny fahita azy !
Fa nomenao fampanantenana kosa ny olonao feno tahotra,
Fampanantenana ho ahy, tiako hinoana ! Ary ato anatin’ny foko,
Dia mampidina fiadanana Ianao… NY FIADANANAO, ry Tompo !