Alahady 16 Febroary 2020
Izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra, ary vavolombelon’izany izahay rehetra. Asan’ny Apostoly 2:32
Hoy Jesosy taminy : Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Jaona 11:25
Ny fahafatesana dia tsy mitsimbina an’iza na iza, ary mety ho tonga amin’ny fotoana rehetra. Koa tsy mahagaga raha izany no heverina ho zava-dratsy indrindra mety hitranga. Mitoetra ho resaka fady ny fahafatesana, matetika, ary mampatahotra ; nefa koa miteraka fanontaniana maro. Inona no hitranga aorianan’izany ? Ny sasany dia mahita fa mitombina kokoa, na mahafaka ahiahy kokoa, ny mihevitra fa tsy misy na inona na inona aorianan’ny fahafatesana. Fa aleon’ny hafa indray, mihevitra fa mbola mitohy ny fisian’ireo havany efa maty, mbola misy fiainana hafa… kanefa fiainana inona ?
Ny kristiana kosa dia matoky izay lazain’ny Baiboly momba ny fahafatesana sy ny any ankoatra, satria ny Baiboly no mirakitra ny fanambaran’Ilay efa niverina avy tany amin’ny fahafatesana, dia Jesosy Kristy. Efa nanambara mialoha Izy fa ho velona indray, aorianan’ny fahafatesany (Matio 16:21). Vitsy ihany ny olona nino Azy. Nefa ireo akaiky Azy dia nahita maso ny zava-nisy : Jesosy, Izay maty teo amin’ny hazofijaliana ary napetraka tao am-pasana, dia nitsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo, ary nampiakarina any an-danitra, taorianan’izany (Lioka 24:51). Rehefa matoky ny Tenin’Ilay Andriamanitra Izay tsy mba mahay mandainga, dia tsy manana fisalasalana intsony momba ny any ankoatra ; ary ny mpino dia afaka ahiahy tanteraka. Satria Jesosy nandresy ny fahafatesana, dia mahazo antoka ny mpino fa tsy mifarana ao am-pasana ny fiainany, ary indrindra tsy mifarana any amin’ny helo. Izay rehetra mandray an’i Jesosy ho Mpamonjiny mantsy dia hiaraka aminy mandrakizay. Nanome toky Izy hoe : “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana ; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray”.