Talata 11 Febroary 2020
Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy ? Ary inona no homen’ny olona ho takalon’ny ainy ? Matio 16:26
Ity ny fanoharana notantarain’i Jesosy tamin’ny vahoaka (Lioka 12:16-21) :
— “Ny tanin’ny lehilahy manankarena anankiray nahavokatra be.”
Mety manankarena angamba isika. Azontsika atao, mazava loatra, ny mihevitra fa noho ny fahaizantsika sy ny ezaka nataontsika no nahazoantsika izany ; nefa aza hadino fa ao koa ny hatsaram-pon’Andriamanitra, matoa tanteraka izany.
— “Ary izy nihevitra tao am-pony hoe : Ahoana no hataoko, fa tsy manana fitoerana hamoriako ny vokatro aho ? ... Handrava ny trano fitehirizako aho ka hanao izay lehibebe kokoa, ary ao no hamoriako ny variko rehetra sy ny fananako.”
Tsy nisaotra an’Andriamanitra noho ny hatsaram-pony ralehilahy, fa nanao vina mba hampiroborobo ny raharahany. Nahatonga azy hanadino ny tena zava-dehibe ny fitiavany harena !
— “Dia hilaza amin’ny fanahiko hoe aho : … Manana fananana be voatahiry ho amin’ny taona maro ianao ; mitsahara, mihinàna, misotroa, mifalia.”
Ny hany tanjony teo amin’ny fiainany dia ny hanararaotra izay rehetra mety homen’ny harenany azy. Nihevitra ny mbola ho velona ela izy, satria nanadino fa tsy tompon’ny hoavy.
— “Fa Andriamanitra kosa nanao taminy hoe : Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’iza izay zavatra noharìnao ?”
Adala ! Izany no tombana nataon'Andriamanitra momba azy. Tsy fahombiazana ranoray ilay fiainany namirapiratra ara-karena. Nanakana azy tsy hanana fifandraisana iankinana aina tamin’Andriamanitra ny hadalany hifikitra amin’ny fananan-karena.
Hoy Jesosy namehy ny teniny : “Toy izany izay mihary harena ho an’ny tenany ihany, nefa tsy mba manankarena ny amin’Andriamanitra”. Taominy isika hitodika aminy, mba hahafantatra “ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanankarena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanankarena anareo ny alahelony” (2 Korintiana 8:9).